8 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Ny hanavao ny zavatra rehetra sy hitondra fianarana vaovao ny nahatongavan’i Jesoa, tandindona sy tari-dalana mitondra mankany Aminy ihany ireo rehetra teo aloha. Fa ao Aminy no lavorary sy tanteraka ireo fomba entintsika olombelona manatona an’Andriamanitra. Ny fanontanian’ny mpianatry i Joany indrindra no manamafy io fiainana vaovao entin’i Kristy io. Ary ny valin-teny nataon’i Jesoa ny antony tsy maintsy hifadian-kanina mba hiainana ilay fiainam-baovao miaraka amin'i Kristy.

Ny fifanin-kanina dia anisan’ny fomba fibebahana mba hifehezana ireo filana sy fironan’ny fo tsy araka an’Andriamanitra, izay miteraka fahotana. Izany hoe fomba handraisana ny indrafon’Andriamanitra. Ary ny indrafon’Andriamanitra sy ny fitiavany tsy misy fetra dia nampanantenain’Andriamanitra fa ho tanteraka ao amin'i Jesoa Zanany, tonga eto amin’izao tontolo izao. Noho izany, ny fananana Azy Kristy, sy ny fiombonam-piainana Aminy no tena hafaliana sy fahasambarana ho antsika olombelona sady santatry ny maha olom-boavonjy antsika. Ka nahoana tokoa moa no hifady hanina raha i Jesoa, Andriamanitra mihitsy, no mampianatra azy ireo ny fomba vaovao sy ny toe-po vaovao hifandraisana amin’Andriamanitra ary nampianatra azy ireo koa ny toe-tsaina vaovao misolo ny taloha?

Ankehitriny, eo amintsika mandrakariva i Jesoa, araka ny lazainy hoe: “Indro Aho ho eo aminareo mandrakariva, ambaram-pahatapitr’izao tontolo izao” (Mt 28, 20) ary Izy niakatra any amin’ny Ray dia mbola hiverina amim-boninahitra. Miandry ny hiverenanany isika, ka tsy maintsy manavao ny tenantsika isan’andro, miaraka Aminy, mba hialana amin’ny fahazarana sy ny fiainana mandeha ho azy; tsy maintsy mifady ireo rehetra manakana antsika tsy ho vonton'i Kristy, hahamasina antsika tanteraka.

Jesoa ô, aza avela ho revon’ny fiainana eto an-tany izahay, aza havela hanaram-po amin’ny filana, izay manimba anay zandrinao. Fa ataovy vonona handray Anao isan’andro.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...