27 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)

Hentitra eto i Jesoa ka tsy miolakolaka fa tonga dia mahitsy: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy”. Biby roa samy maloto na ny alika na ny kisoa ka tsy tokony handray ny zava-masina velively. Marina fa olombelona no tena iantefan’ny resak’i Jesoa eto fa manao teny an’ohatra Izy. Isika koa tsy sanatria hoe biby fa mba manan-tsaina sy fo ary fanahy ihany ka afaka mandinika tsara. Fa na tsy biby aza isika dia indraindray manao fanahim-biby, na koa hoe ny toetra mahabiby antsika no tena hita miharihary na arangaranga. Diniho anie ny fiainan’ireo biby ireo: hoy ny fiteny “mihanahana toy ny kisoa vahiny”, “aza manao toy ny kisoa voasasa ka amin’ny lotony ihany no itakosenany”, “valalan’alika ka ny tompony aza tsy tia”, “alika mitomany valala”… Mikambakambana any tsy fantatry ny tompony ireny biby ireny, raha tsy hoe ireo ompiana angamba. Matetika ireny biby ireny raha vao misy hafa noho izay efa niaraka teo dia mifandramatra mihitsy aloha. Tsy tokony hitovy amin’izany isika fa tsara raha maneho ny maha manam-panahy sy saina antsika fa tsy entanin’ny fo toa azy ireny fotsiny. Koa raha sanatria mbola hita manjaka amintsika ny fiainam-biby dia aoka hialana haingana. Izany anie no tsy maha mety ny tokantrano imaso e: tsy misy sakramenta azo zaraina aminy. Na ny zanany aza tsy mety loatra raha atao batemy. Koa tsara raha ny fototr’aretina no tsaboina aloha ka miroso, fa tsy mijanona ho tokantrano imaso ao foana an-taonany maro. Ireo tsy azo amboarina efa tsy hita izay anaovana azy!

Manaraka izany, mazava koa ny sori-dalana volamena atoron’i Jesoa amintsika eto: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany”. Tsy mahavita manome zavatra aman’olona isika nefa mitaky zavatra sarotra avy aminy, hany ka mitsaratsara foana na manaonao foana matetika. Hentitra amin’ny olona nefa goragora amin’ny tena, hany ka tonga ny ady matetika. “Ny atao mahasarika” ka “tsongoy fon’olona, tsongoy fon-tena”, hoy ny fitenintsika, ka aoka hanome aloha vao hitaky amin’ny hafa. Aza manantena ho hajaina, ohatra, raha tsy mahay manaja ny hafa.

Faranan’i Jesoa eto hoe: “Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy”. Izany hoe: misy zavatra tsy maintsy hamehezan-tena aloha raha te ho any amin’ny fiainana, ka esorina izay mavesata rehetra sy izay mibontsimbotsina ka tsy hahatafidirana amin’izany varavarana ety izany, izay tsy iza fa i Jesoa irery ihany; ka alao ny bontson’ny avonavona sy ny eboebo ary ny fizahozahoana, esorina ny vesatry ny fialonana sy ny fitiavan-tena diso tafahoatra ary ny laingalainga ka tsy hahafahana mahita ny hafa, avelao ny vonton’ny hakamoana sy halainana, ajanona ny tambesatry ny karazam-pahotana mahazatra ka manakana sy mandrirotra hiverina aza tsy hahatafiditra ao amin’io vavahady io. Alao hery fa tsy misy tara izany raha mbola eto an-tany ihany koa. Aza maika hanary tena amin’ny lalana migodana. Tandremo diso safidy lalana na miala amin’ny lala-marina ka mivarina any amin’ny hantsam-pahaverezana vao hidiran-doza mandrakizay. Aza misy anie izany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...