23 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)

Katsaho ny haren’ny lanitra. Izay no hafatra voalohan’ny Evanjely ampitaina amintsika. Izao kosa anefa : tsy misy milaza mihitsy hoe ny fanahy fotsiny no vonjena, na hoe tsy ilaina ny mikarakara ny fiainana eto an-tany. Tsy misy milaza mihitsy fa very mandrakizay ny mpanan-karena, na hoe voavonjy ho azy fotsiny amin’izao ny mahantra. Ny harena dia tso-dranon’Andriamanitra, fitahian’Andriamanitra. Mampalahelo ny mahantra fadiranovana, mitrongy vao homana, tsy manan-kialofana, misaringi-bori-damba sy mitsindroka fako ; tsy sitrak’Andriamanitra izany. Tsy maintsy mikarakara ny fiainana eto an-tany isika satria ny olona manontolo : saina, vatana, fo, fanahy no vonjena fa tsy ny fanahy fotsiny. Aoka kosa tsy hiavonavona rehefa ambinina ; aoka tsy hifikitra na hanompo vola aman-karena. Tadiavina amin’ny fomba tsara sy marina, dia ampiasaina amin’ny fomba tsara sy marina. Aoka hijanona ho fomba sy fitaovana fotsiny ihany ny harena eto an-tany fa ny lanitra no tanjona.

Mila mahay mijery ny zavatra rehetra amin’ny masom-panahy mazava isika, mijery ambony sy lavitra mba hahalalantsika ny sitra-pon’Andriamanitra, mba hanampy antsika hikatsaka ny lanitra ny harena eto an-tany, mba ho fomba sy fitaovana hahazoana ny harena maharitra ny harena mandalo. Ho ambinin’Andriamanitra anie isika eto an-tany hanana izay ilaina ka na miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza, hiandrandra lalandava ny mandrakizay. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...