21 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)

Ry havana, ho an’ireo kristianina avy tamin’ny finoana jody no anoratan’i Masindahy Matio ny Evanjely tany am-boalohany, fa ho antsika ankehitriny koa. Mbola nanaraka fomba jody sasantsany ihany izy ireo na dia efa kristianina aza. Isan’ny fomba narahina ary lovaintsika ankehitriny aza ny vavaka, ny asa fiantrana ary ny fifadian-kanina. Fomba tsara izany satria entina hanolorana ny tena manontolo ho an’Andriamanitra, manampy antsika hifehy tena sy hikolokolo hatsaram-panahy. Tsy amin’ny karemy ihany no hanaovana izany fa mandavan-taona, atao tonga toe-piainana mihitsy. Anentanana antsika isan’andro hiezaka amin’izany.

Etsy an-kilany kosa dia manafatrafatra i Jesoa mba tsy ho fisehosehoana na filan-dera hoe mahavita no hanaovana izany. Tsy ny mamiratra ivelany toa ankoso-bolamena no ankasitrahana fa ny fiainana anaty. Fakam-panahy mety hahazo ny olona rehetra ny fihatsaram-bela-tsihy, araka ny fiteny mahazatra hoe mivavaka alahady fa mangalatra akoho alatsinainy. Sanatria anie izany ! Aleo ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...