6 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)

“Ry mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona ianao, fa mampianatra ny lalàn’Andriamanitra araka ny marina”. Tonga ireto iraky ny Farisianina hamandrika an’i Jesoa. Mazava fa te haka fanahy an’i Jesoa izy ireto. Ka mazava loatra ny valintenin’i Jesoa fa afaka atao tsara ny manompo ny firenena sy manompo an’Andriamanitra. Afaka atao tsara ny manao adidy eo amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fanaovantsika izany dia mamaritra tanteraka ny maha kristianina mendrika sy olombanon’ny fiaraha-monina antsika.

Ny fiainana kristianina dia tsy misaraka amin’ny fiainanan’ny fiaraha-monina. Satria na ny fanaovantsika adidy ao amin’ny Fiangonana na ao amin’ny fiaraha-monina dia entina hanasoavana ny fiainan’ny olona avokoa izany rehetra izany. Ny finoana ange tsy inona fa lalan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana e, izay fitiavana roa tsy azo sarahina. Ka afaka hatao tsara manao soa ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina. Ny fiezahantsika hanao ny adidy amin’ny fiaraha-monina dia manamafy ny finoantsika an’Andriamanitra, raha toa ka tena fihahina ny sahirana sy fanatsarana ny soa iombonana no himasoantsika. Raha izany tokoa no be ao am-pontsika dia azo lazaina fa fitiavana an’Andriamanitra tokoa no iainantsika.

Hoy i Jesoa ao amin’ny Lioka 12, 34 manao hoe: “fa izay misy ny harenareo no misy fonareo”. Aiza àry no hametratsika fontsika? Raha ao amin’i Jesoa no hametrahantsika ny fontsika dia hahay hitia an’Andriamanitra sy ny hafa tokoa, izay no didiny: “raha misy tia ahy dia hitandrina teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hanakao Aminy Izahay ka honina ao Aminy. (Joany 14, 23)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...