31 mey 2023 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Mankalaza ny famangian’i Masina Maria an’i Masimbavy Elizabeta isika anio. Mampahatsiahy antsika ny lanjan’ny famangiana ny hafa no sady manamafy ilay fitenin-drazantsika manao hoe : “Izay mahavangivangy tian-kavana”. Betsaka amin’izao fotoana izao no manadino ny lanjan’ity fomba ity, ary tsy mahatsapa ny vokatr’izany amin’ireo vangiana : ireo marary any amin’ny toeram-pitsaboana, ireo migadra, ary indrindra ireo zokiolona, mety ho ray aman-dreny niteraka na mpanao soa antsika ihany koa aza izy ireo. Misy ihany koa ireo manatanteraka an’ity fomba ho toy ny fombafomba fotsiny ka mijery famantaranandro mandritra izany fa maika hody. Ampianarin’i Masina Maria isika anio, hanome lanja an’izany ary omeny antsika ny fomba hanatanterahana an’izany. Lazain’i Masindahy Lioka evanjelista fa maika ny hamangy an’i Elizabeta i Masina Maria. Naniry fatratra ny hamangy izy fa tsy hoe akory teren’ny tahotra ny vavan’ny vangiana na koa tsy nisy natao.

Hitondra Vaovao Mahafaly no nahatonga azy nandeha ihany koa : te hizara amin’ity vehvavy zokiny amin’ny taona ny zavatra iainany, ny fitsimbinan’Andriamanitra azy. Vokatr’izany, faly ity farany, manambara amintsika fa isaky ny mizara hafaliana isika, dia miteraka hafaliana ihany koa. Fa hafaliana lalina no lazaina etoana satria i Jesoa Kristy no Ilay hafaliana andrasan’ny hafa hozaraintsika. Manana adidy ny hihaino ihany koa ny vangiana, hahay handray an’izany hafaliana izany. Faly i Elizabeta naheno ary vao mainka faly ihany koa i Joany Batista tao am-bohoka satria ity ialohavany no tonga namangy azy mialoha. Vokatr’izany nahazo tso-drano tamin’i Elizabeta i Masina Maria. Tsy fantatro raha mba vonona sy sahy hitso-drano an’ireo mamangy antsika isika !

Eo am-pamaranana ny famangiana i Masina Maria no tsy nanadino velively an’Andriamanitra sy ny soa nomeny azy hatramin’izay ka hatramin’izao. Tiany hiara-hisaotra an’Andriamanitra i Elizabeta, ilay novangiany. Tsy vitan’izany fa mbola nijanona telovolana ihany koa izy fa tsy avy hatrany dia nody. Izany hoe eo am-pamaranana ny famangiana izy, no ohatran’ny mangataka amin’i Elizabeta hoe : “Inona no azoko anampiana anao ?”. Nanatanteraka izay vitany hanampiana an’ity olona vangiany i Masina Maria. Heveriko fa afaka hanatsara ny fomba famangiantsika ny hafa sy fahaizantsika mandray ireo mamangy antsika ity tantaran’i Masina Maria tonga mamangy an’i Masimbavy Elizabeta, anio ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...