22 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 29-33)

Ny dingam-piainana tsy maintsy lalovana asehon’i Krsity amin’ny Misterin’ny Pakany.

Tian’i Jesoa ambara amin’ny mpianany izay zavatra nambaran’i Ray azy saingy mbola marefo ny finoan’izy ireo ka nilazan’i Jesoa hoe : “tsy mbola zakanareo izany ankehitriny”, tsy afaka ny ahazo ny hevitry ny Tenin’i Jesoa izy ireo raha tsy aorian’ny fiakarany any amin’ny Ray. Amin’ny fanomezan’ny Tenany manontolo ho fahatanterahan’ny iraka nanirahana Azy. Ny finoan’ny apôstôly eto dia mbola finoana tsy afaka hisedra ny mafy, tsy afaka hanaiky ny fanafintohinan’ny hazofijaliana. Izay mino fa nandresy an’izao tontolo izao Izy dia hahatohitra ny fahoriana mianjady raha mbola eto amin’ity tany ity, satria hahalala fa tsy mandao izay tiany ny Ray.

Andriamanitra tsy manesotra fijaliana akory, fa miaraka amintsika kosa ao anatin’ireo sedram-piainana lalovantsika. Manana fahefana Izy hitondra antsika any amin’ny hafenoan’ny fiainana tokana sy nataony tamin’i Kristy natsangany ho velona. Ny lakroa koa dia tsy fandresen’ny ratsy fa fandresen’ny fitiavana, izay mino izany dia nateraky ny Fanahy ho tonga olom-baovao. Ho tonga mpandresy an’izao tontolo izao miaraka amin’i Kristy. Fandreseana no dikan’ny hazofijaliana fa tsy faharesena. Izay mbola mitoetra eto amin’izao tontolo izao dia hozohim-pahoriana. Ao amin’i Jesoa no ahitantsika ny fiadanana; ary miaraka aminy nandresy ny ratsy, ny fahoriana sy ny fijaliana hatramin’ny fahafatesana aza no ahafahantsika mandresy toa azy koa.

Hirotsaka amintsika anie ny herin’ny Fanahy Masina, hifikirantsika Aminy sy hankahery antsika ary hanekentsika ny Sitrapony sy handavorariantsika ny fiainantsika. Izy ilay Jesoa Tompo, ilay tsy mandao antsika anie hampisava ny alahelo ka hanova izany ho hafaliana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...