Alarobia 26 febroary 2020 — Fanosorana lavenona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-32 — Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan'ny Lanitra.

0 : 00

Manomboka  anio Alarobian’ny lavenona ny vanim-potoanan'ny karemy. Fotoana izay hankanesantsika any amin’ny Paka, fankalazana ny fandresena miaraka amin’i Kristy.

Ny Evanjely anio dia mampahatsiahy antsika an’ireo toetra izay takian’ny Eglizy mandritry ny karemy: ny asa fiantrana sy ny fivavahana ary ny fifadian-kanina. Ny tiana ambara mantsy dia ny hoe aoka Izy Andriamanitra irery ihany no hahita sy hahatsapa an’ireo toetra izay takiana amintsika ireo, fa tsy sahala an’ireo Farisianina sy mpanora-dalana izay ataony mihitsy izay hahitan’olona sy hahatsapana fa nanao izany izy ireo. I Jesoa mantsy efa nilaza hoe: "Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina ny fahamarinanareo dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra ianareo".

Ny toetra takiana voalohany dia ny fanaovana asa fiantrana. Toetra izay mitondra mankany amin’ny fitiava-namana fa indrindra fa ireo mahantra sy ny madinika. Asa fiantrana izay hizarantsika ireo zavatra tiantsika amin’ny hafa: atao an-kafaliana tsy misy hanenenana. I Jesoa tsy niteny mihitsy hoe: "afeno ny asa fiantrana ataonao" fa aoka kosa mba tsy hilanao dera avy amin’ny hafa izany fa manjary efa voavaly sahady ny valisoantsika avy amin’ny Ray.

Ny toetra faharoa dia ny fitiavam-bavaka. Ny vavaka dia fotoana izay atolotsika an’Izy Andriamanitra. Fahafoizana fotoana izy io mariky ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy hitondrantsika am-bavaka ny fiainantsika sy ny an'ny hafa.

Ny farany dia ny fifadian-kanina. Endrika iray izy io mba hahafahantsika manome toerana lehibe misimisy kokoa ny fiainam-panahy izay mampifandray antsika an’Andriamanitra.

Ny tanjona mantsy dia ny mba hialantsika eo ambanin’ny fanandevozan’ireo toetra ratsy izay nangeja antsika.

Araka izany àry, ny karemy dia hanasan’ny Eglizy antsika toy ny isan-taona mba hibebaka marina sy hanonitra ny fahotana vitantsika amim-panetren-tena. Irin’i Jesoa tokoa isika mba hanatanteraka izany am-pitiavana fa tiany ho mpandresy hiaraka aminy amin’izay fankalazana ny fotoana izay hitsanganany ho velona, dia ny Paka.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...