25 aprily 2023 — Masindahy Marka, Evanjelista — Fety — Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)
Hafatra napetrak'i Jesoa tamin’ireo Apôstôly ny handehanana amin’izao tontolo izao sy ny hitoriana ny Evanjely. Miantefa amintsika kristianina izany antso izany ankehitriny, ka ahoana àry ny fomba hanatanterahantsika izany? Mba hahafahantsika mitory an’izany dia isika aloha no mila resy lahatra fa tena mahafaly tokoa izany ho antsika. Ny fahatsapana ny maha zava-dehibe an’izany no hahafahana mizara izany amin’ny hafa.
Amin’izao fankalazana ny fetin'i Masindahy Marka izao sy eo am-pihainoana an’ity Evanjely nosoratany ity, dia tsy afaka hitory ny Vaovao Mahafaly isika raha tsy mitoky amin'izy Tompo, izay manome hery ho antsika. Izay rehetra nampianariny sy nandidiany no hampitaina. Fa ny fanatanterahana izany no fandresena lehibe ho an'i Kristy, amin’ny alalantsika. Tsy tokony hijanona am-bava fotsiny àry izany, fa ho hita mihitsy eo amin’ny fiainantsika. Ny oha-piainana aseho araka izany no Vaovao Mahafaly ho an’ny olona, miampy ny fampianaran’ny Evanjely izay torìna aminy. Tsy mora araka izany ny asa fitoriana, ary ankehitriny dia mbola tohizin’ny Eglizy izany. Maro ireo firenena izay efa nitoriana ny Evanjely, nefa tsy mandray izany. Tsy tokony ho kivy isika raha sendra tsy fahombiazana fa hiarina mandrakariva, hanatanteraka izay nandidiana satria izay no hafatr'i Jesoa. Tia Azy isika, ary izay fitiavana izay no manosika antsika an-kafaliana sy am-pitokiana Azy hanao izay nandidiany. Anjarantsika àry araka izany ny mitady fomba hitorìna ny Anarany sy handraisan’ireo izay tsy mbola mahalala Azy.
Tompo ô, aza avela ho reraka izahay fa omeo hery hahafahanay mitory ny Anaranao. Masindahy Marka, mivavaha ho anay.