23 aprily 2023 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Taona A — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

Ny dian’ireo mpianatra roa lahy ho any Emaosy no tantarain’ny Evanjely eto tao aorian’ny fitsanganan’i Jesoa ho velona. Ireto mpianatra roa lahy mbola tsy nahafantatra tsara hoe iza marina i Jesoa? Satria dia tao anatin’ny alahelo sy hakiviana izy ireo izay nanantena fa ny atao hoe Mesia dia mpanavotra an'israely. Ny mason’izy ireo ary moa dia voasakana ny tsy hahafantatra an'i Jesoa nefa naira-dalana sy nifampiresaka tamin’izy ireo. Mila faharetana tokoa ary ny fahalalantsika an'i Jesoa. Mety mbola betsaka ny zavatra tsy fantatsika momba Azy, ka mety ho tojo fisalasalana sy fahakiviana tahaka ireto mpianatra ho any Emaosy ireto.

Nampahafantarin'i Jesoa azy ireo teo am-pamakiana ny mofo àry fa ny Tenany. Teo vao nisokatra ny mason’izy ireo fa ity olona izay niantrano tao amin’izy ireo ity dia ny Tompo ary efa nitsangan-ko velona. Ny Vaovao Mahafaly izay ny fitsanganan'i Jesoa ho velona dia fototry ny hafaliana sy ny finoana. Velona tokoa àry i Jesoa Tompo, ary eo afovoantsika mpianany mandrakariva. Ny lalana izay nodiavin’ireto mpianatra tany Emaosy ireto dia mbola diavintsika ihany koa ankehitriny: eo am-pihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ao anatin’ny fankalazana ny Eokaristia no hahalalantsika misimisy kokoa an'i Jesoa Tompo, izay nandresy ny fahafatesana.

Tsy tian’Andriamanitra hijanona ao anatin’ny alahelo sy hakiviana isika. Ny faniriany dia ny hahasambatra antsika miaraka Aminy. I Jesoa izay tafatsangan-ko velona àry dia nanova ny fiainana sy ny fon’ireto mpianatra tany Emaosy. Ary ny antsika mba ahoana? Afaka manova izany koa Izy rehefa manaiky ho tarihina tahaka ireo mpianatra.
Tompo ô, sokafy ny masonay mba hahafantaranay Anao.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...