10 aprily 2023 — Alatsinainy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 8-15)

Tohin’ny Evanjely noraisintsika omaly ity henontsika teo ity. Mbola ao anatin’ny havaloanandron’ny Paka isika mianakavy ka misorebi-karavoana sy fifaliana vokatr’izany. Tohizintsika àry ny fanazavana teo aloha. “Lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra”, ireto vehivavy masina ireto. Rehefa manatontosa iraka isika, aoka tsy hitaredretra fa mila marisika lalandava, halaviro ny fahalainana sy ny hakamoana fa tsy maneho fitsanganan-ko velona izany fa faharesena aza ka aoka hialana sy halavirina. Eto, marihina fa vehivavy indray no nihazakazaka handeha ho any amin’ny mpianatra lehilahy. Tsy nampaninona azy ireo izany fa nahamaika azy ny hamita iraka. Moa tsy tokony ho izany va no ataontsika eo amin’ny sehatra ikatrohantsika? Niseho taminy i Jesoa teo am-panantanteraha izany. Miara-dalana amintsika mandrakariva Izy na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Fa efa nanao toa ireto vehivavy ireto ve isika: nanatona Azy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany. Mila manatona fa tsy manao ariary zato am-pandriana, angamba aloha efa niakatra ho iray alina am-pandriana izay, fa tsy mijanona fotsiny any an-trano any. Toerana tsara hihaonana aminy any amin’ny Eglizy mba ho afaka hiankohoka eo anatrehany isika fa tsy any an-trano velively. Manaraka izany, rehefa avy any isika dia mirotsaka, mikatroka amin’ireo sehatra misy antsika tsirairay avy: toerana misy Azy koa any. Marihina fa tsy azo sarahina na ampifamadihana ireo fa natao hifameno.

Fanampin’izany, diniho anie ny teotran’ireo miaramila mpiambina ny fasana sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny loholona: asaina manely tsaho ka jereo ny vokany: “izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany”. Asaina manely vaovao tsy marina dia manaiky nefa ny lainga eto toy ny zavatra milevona amoron-dalana ka mora fongarin’ny akoho tokana anaka. Aiza ka mpiambina dia matory, mahita mpangalatra ka tsy misambotra, mahavarina sy mahalasa fisainana ihany! Misy mbola tafiditra amin’izany isika ka voa amin’ireny vao miampanampana mipoka atsy sy aroa. Eo koa ny hoe: matim-bola loatra na tsolotra raha atao mazava ka tsy mahita ny lala-mahitsy tsara hizorana. Efa hatramin’izany no nisian’ny tsolotra ka mbola tarazo mandraka ankehitriny fa mety miova angamba ny fomba fisehony. Samy fomba ratsy na ny tsaho, na ny tsolotra ka aoka tsy hataontsika. Misy ampirisihina dia roboka, misy koa hoe tsy afa-manoatra dia mijabaka, misy hoe ny hafa aza manao ka tsy hanao koa ny tena… Efa Paka ny andro ka aza averina ho zoma masina indray, efa nandresy ka aza manaiky ho lavon’izany indray, raha tsy izany ho petsa ao isika, ho voalavo ka hanahirana satria sady voa no lavo ka tsy ho tafarina. Mijoroa maneho an’i Kristy tafatsangan-ko velona na ao amin’ny Eglizy, na ao an-trano, na any am-piasana, na any am-pianarana, na milalao, na mikarakara tokantrano, na any am-pivoriana, na eny an-dalana, na amin’ny sehatra politika, na amin’ny ankobanandro fotsiny izao. Paka ny andro ka misikina, mitsangana isika eo amin’ny fiainana fa aza matoritory intsony.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...