Alatsinainy 3 aprily 2023 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)

Mampianatra antsika ny fomba fifandraisana amin’i Jesoa Kristy i Maria avy ao Betania anio. Mila mahafoy ny zavatra sarobidy ananantsika isika ho an’Andriamanitra. Mila mahafoy am-pinoana sy am-pitiavana marina tokoa. Tsy midika tsy firaharahana ny mahantra sy ny ory akory izany fa fanomezana an’Andriamanitra ny lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. Mila mahafoy fotoana, mahafoy tena, mahafoy talenta ho an’Andriamanitra isika, ary mahafoy manolotra ny zavatra tsara indrindra sy lafovidy ananantsika toy ny fanatitr’i Abela sy ireo Majy tonga nanolotra ny raki-tsarobidy tao Betlehema.

Mazàna mailaka ny hangataka sy hitalaho amin’Andriamanitra isika fa fohy tànana sy tsy mahafoy. Tsarovy fa tsy fantiantoka akory ny fahafoizan-tena amin’Andriamanitra, fa vao mainka aza fahasoavana. Misy hira anankiray katôlika mampahatsiahy an’izany manao hoe : “Tompo o, inona re no atolotro Anao mba hisaorako Anao e…” Dia mamaly ny Tompo manao hoe : “Atolory Ahy re ny tanam-polonao, fa hofenoiko ny raki-tsoa tena ampoka, hofenoiko ny raki-tsoa tena ampoka !” dia mamaly ra-olombelona manao hoe : “Eny re Tompo, atolotro anao am-pitokiana izany hisaorako anao e ! misaotra, misaotra e mankasitraka mankatelina !”

Tsy ampy ny manolotra eto fa mila am-pitokiana sy am-pitiavana ihany koa fa izany no mampavesa-danja ny tolotra ataontsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...