Alarobia 15 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tonga hanatanteraka ny lalàna i Jesoa ; kanefa hitantsika matetika Izy toa mandika lalàna sy ny fomba nampianarin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna. Ny manatanteraka tian’i Jesoa Kristy atao dia hoe : manitsy ny fanarahana ara-bakiteny fotsiny, mameno izay banga, manitsy izay nadika vilana ary indrindra manome dikany tena araka an’Andriamanitra, manambara ny tanjon’Andriamanitra fony nanome ny didy ka ny tanjona dia ny famonjena ; nanambara ny votoatiny dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. Tsy foana akory ny hoe mivavaha, manajà ray aman-dreny sy ny hoe aza mandainga, aza mangalatra sy ny sisa rehetra. Tsy foana ireny fa fitiavana no antony ary famonjena no tanjona.

Fa izao kosa ho antsika e : Andriamanitra irery no sady Mpitsara no Mpanao lalàna ; tsisy olombelona mahavita an’izany, sady tsy mety amin’ny fiainana. Ary koa hoe amin’Andriamanitra tsy misy hoe izay kely iny koa ve dia maninona ; rehefa tsy mety dia tsy mety, ary rehefa tsara dia tsara. Miantoka ny mandrakizay ny antsipiriham-piainana isan’andro. Ny finoana sy ny fitiavana no itsarana azy. Amin’izao karemy izao, aoka ho tena finoana aseho amin’ny fitiavana no hanentana antsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...