Alahady 26 febroary 2023 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Taona A — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 1-11)

Ry mpihaino hajaina, miroso amin’ny alahady voalohany amin’ny karemy isika ity androany ity. Efa fantantsika fa ny karemy dia fotoana hiverenantsika amin’Andriamanitra, fotoana hibebahana, fotoana hivelomantsika ny Fanahy izay maha zanaka antsika. Fotoana iantsoan’i Jesoa antsika hanaraka azy akaiky kokoa. Henontsika ny antso tamin’ny alarobian’ny lavenona: “Mibebaha ary minoa ny Evanjely”. Hitantsika amin’ny Soratra Masina fa i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra dia nanaiky nentin’ny Fanahy Masina, tsy handositra ny zava-misy fa nalaim-panahy tahaka antsika olombelona. Nandray mihitsy ny maha olombelona azy manoloana ny fandrika maro samihafa izay mety hampisaraka azy amin’Andriamanitra.

Ry mpihaino hajaina, ny maha kristianina antsika dia tsy midika fa afaka manoloana ny fakam-panahy isika. Misy ny fakam-panahy samihafa izay atrehantsika isan’andro, toy ny fahantrana mitarika any amin’ny tsy fahampiana ka mahatonga antsika, sanatria, ho ny kibo no lasa Andriamanintsika ka mahatonga antsika mety manaonao foana. Minoa ny Evanjely, katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra, aza mety voarebireby na tambazana izay hahavoky ny kibo fotsiny ka mahatonga antsika tsy hampiasa ny fanomezana avy amin’Andriamanitra. Aza adinoina ilay Soratra Masina hoe: “ny hatsembohanao no hihinanao”, ka aza miantehitra na amin’iza na amin’iza fa mitodiha amin’Andriamanitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro ary aza midonanam-poana na kamo fa meteza mangataka amin’ny Fanahy Masina izay tokony hatao.

Toy izany koa ny hoe, efa mino an’Andrimanitra ka tsy mampiasa ny saina intsony ka na zavatra mitondra any amin’ny fahafatesana eo no ho eo dia ankatoavina tsy amim-pandinihana. “Mianjera any ambany any fa ny anjely no hiaro anao”. Ilaintsika ny finoana miara-dalana amin’ny saina mandinika. Hoy i Jesoa “Aza maka Fanahy ny Tompo Andriamanitrao”. Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy sy miaro ny tenany.

Toy izany koa, ny fanompoan-tsampy na ny fivavahana tsy mari-pototra. Aza mandohalika amin’ny vola, voninahitra, harena ka mahatonga antsika tsy hitodika amin’Andriamanitra na dia amin’ny andro voadidy hohamasinina aza. Minoa ny Evanjely, minoa an’i Jesoa irery ihany, aminy no mandohaliha mangataka ny fahasoavana izay rehetra ilaintsika, fa aza maniry hanan-karena tsy miaraka amin’Andriamanitra.

Ity alahady ity no alahadin’ny fandresena ho an’izay manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina izay nomena antsika. Angataho mandrakariva izy isan’andro manoloana ny zava-tsarotra maro samihafa izay atrehantsika.

Ry Fanahy Masina ô, tongava manampy anay amin’ny ady atrehanay ataon’ny demony, ka ho mpandresy izahay manolona ny fandrika ataony. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...