Zoma 3 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

Ny filazan’i Masindahy Marka ny nahafatesan’i Joany Batista eto amin’ity Evanjely ity, dia maneho ny fomba nanoherana ireo mpaminany teo aloha sy izay mety hanjo ihany koa ireo Apôstôly na ireo kristianina, vavolombelon’ny finoana, mitory an’i Kristy.

Ireny toe-javatra ireny no maneho, fa tsy zavatra mandeha ho azy mantsy ny maha Apôstôly na ny maha kristianina fa mifaningotra mandrakariva amin’ny aina, izay tsy maintsy ijoroana ary iharetana hatramin’ny farany. Ny fiainantsika io toe-piainana io no maneho ny tena maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra no sady hikatsahantsika mandrakariva an’izay notorìn’i Kristy dia ny hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tsarovy anefa fa i Kristy no miharihary amin’izay iharetantsika noho ny anarany, ary sady fiombonantsika fijaliana aminy izany no koa fanohizana ny famonjena ny olombelona rehetra ankehitriny.

Efa tonga “Fanasina sy Fahazavana” noho ny finoana, isika, koa sahia mijoro ho Joany Batista vaovao, amin’izao andro diavintsika izao: ho sahy hanambara sy hijoro amin’ny marina sy tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy ary ho vonona hijoro hatramin’ny farany na dia hihatra aman’aina aza.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...