Alatsinainy 2 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28

Henontsika teo valintenin’i Joany tamin’ireo iraky ny Farisianina sy ny Jody fa tsy i Kristy izy, fa ilay feo avy any an’efitra, tsy izy no Mesia, ilay voahosotra; tsy izy koa no ilay Elia izay nandrasan’i Israely hanomana ny lalan’ny Tompo (Malakia 3, 1), ary tsy izy no ilay mpaminany andrasana, ilay Moizy vaovao andrasan’i Israely (Det 18, 15. 18). Feo ihany i Joany, ary feo miantso any an’efitra miangavy mba hanitsiana ny lalan’ny Tompo. Tsy milaza hoe “Izaho no”, izay atokana ho an’Andriamanitra, fa hoe “izaho feo”, feo miantso any an’efitra (Izaia 40, 3). Feon’ny olombelona rehetra ihany koa, miantsoantso eo am-piandrasana ilay efa eo anivontsika ka tondroiny mba hoharahina. Tsy azo adinoina anefa fa tsy misy Teny azo ampitaina raha tsy amin’ny alalan’ny feo, ary ny feo dia mitondra ny “teny” tiany hambara mandrakariva.

Isika tsirairay ihany koa mamita ny iraka ankehitriny, tsy i Kristy isika fa miaina ny teniny sy miombona aminy, ka isika no feo hitondra ny teniny, ilay teny mitondra famonjena ho an’ny hafa, mitondra Vaovao Mahafaly, teny mampita aina vaovao. Ka aoka ny teny ambarantsika mba ho teny manampy ny olona hanokatra ny fony handray an’Andriamanitra, teny hampibebaka ny olona tahaka ny nataon’i Joany, mpialoha lalana an’i Kristy.

Angatahontsika ny fahasoavana hihainana araka ny Fanahy, mba hitoerantsika mandrakariva ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ka hahazoantsika ny fiainana mandrakizay, santarintsika dia ny ety an-tany ka ho mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...