Alahady 1 janoary 2023 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21

Manakalaza an’i Masina Maria, Renin’Andriamanitra isika anio, Andro maneran-tany ho an’ny Fiadanana ihany koa. Ary anisan’ny lohahevi-dehibe anentanan’ny Papa François antsika dia ny hoe “tsy misy afaka mamonjy ny tenany samy irery”. Mila ny fanampian’ny hafa mandrakariva lafim-piainantsika manontolo, eny fa na dia ny ara-panahy àry.

Ny hitondra ny famonjena no antony voalohany nahatongavan’i Kristy teo anivontsika. Ary nampirisika antsika ho amin’izay lalan’ny famonjena izay izy, amin’ny alalan’ny fampanjakana ny fiadanana. Miaina ao anaty fiadanana isika rehefa manjaka ny fahamarinana. Voalaza ao amin’ny Evanjely teo àry, fa afaka havaloana dia noforaina ny zaza ary nomena ny anarana hoe Jesoa, izany hoe “Andriamanitra mamonjy” araka ny voalazan’i Masindahy Matio hoe : “hamonjy ny olona ho afaka amin’ny jiogan’ny fahotany” (Mt 1, 21).

I Jesoa no anarany, Andriamanitra mamonjy, satria mampahafantatra antsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra tsy hita ka nitondra famonjena ho an’ny olombelona rehetra. Nampiharihary ny voninahitr’Andriamanitra Ray amin’ny maha zanaka, iraky ny Ray tonga hiara-monina amin’ny olombelona. Ka izay finoana ny maha zanak’Andriamanitra an’i Jesoa izay no ankalazantsika an’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra. Araka fiekem-pioantsika dia “Izy no ilay zanaka” iray fomba amin’ny Ray. Ary tsy afa-misaraka nefa tsy mifangaro ny maha olona sy ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy.

Mifampivavaha àry isika rehetra, mba hihavao mandrakariva ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, tena Andriamanitra sy tena olombelona, iray fomba amin’ny Ray ary nidina avy any an-danitra ho famonjena antsika, ary enga anie omen’Andriamanitra antsika ny fahasoavana tia mifamonjy ka hanjaka amin’ny fianantsika tokoa ny fiadanana irin’i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...