Talata 27 desambra 2022 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8
Ry havana, mankalaza an’i Masindahy Joany, Apôstôly evanjelista, isika anio. Omaly isika dia nankalaza an’i Masindahy Étienne, martiry voalohan’ny finoana kristianina. Anio kosa indray dia i Masindahy Joany, ilay nanana ny nampiavaka azy ao amin’ny Evanjely, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanehoam-pitiavana lehibe nananany tamin’i Jesoa Tompo. Ny Evanjely nosoratan’i Masindahy Joany dia maneho amintsika fa nandinika lalina sy tsaratsara kokoa tamin’ny misterin’ny fahatongavana ho nofo izy.
Ity Evanjely aroson’ny Eglizy hankalazana ny fetin’i Masindahy Joany anio ity dia manampy antsika hibanjina ny Noely amin’ny fitarafana ny fitsanganan-ko velon’i Jesoa Kristy Tompo.
“Nahita ny fasana foana i Joany ka nino.”
Mankalaza ny Noely isika. Azontsika raisina tsara ity toe-po sy toe-panahin’ny apôstôly ity : isaky ny mankalaza ny Noely isika dia mahita an’i Jesoa Zazakely mandry eo amin’ny fihinanam-bilona ka mino fa tonga olombelona hiara-monina amintsika ilay Tenin’Andriamanitra. Na dia tsy mbola nahita an’i Jesoa tafatsangan-ko velona aza i Joany, dia nino rehefa nahita maso ny fasana foana sy ny tao amin’ny fasana. Manambara amintsika koa izany fa ny fahasoavan’Andriamanitra no misarika antsika hibanjina an’Andriamanitra Mpamonjy nanetry tena ho teraka tao an-tranon’omby. Izany finoana izany no manentana ny fontsika tsy hitsahatra hidera an’Andriamanitra.
Niara-nihazakazaka nakany amin’ny fasana i Piera sy i Joany, saingy nandeha faingampaingana kokoa i Joany (ilay mpianatra anankiray) ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Inona re no antony ? Azontsika heverina fa nentanim-panirina lalina ny hahita ny vatan’ny Tompo malalany indray i Joany, ka nandany ny heriny manontolo nanao izay ahatongavana mialoha tany amin’ny fasana. Hafanam-po sy fanirina lalina tokony hananantsika mpino kristianina ihany koa izany nanan’i Joany izany. Tsy hijanona ho hafanam-po am-boalohany fotsiny anefa, tsy hoe niandry fatratra ny ahatongavan’ny Noely isika, ka rehefa vita ny fankalazana dia lasa mangatsiaka ihany koa ny fontsika, malaina hihaona amin’Andriamanitra.
Hamaranantsika izao fifampizarana izao, dia tsy azo odian-tsy hita koa anefa ny fihetsik’i Joany anankiray, niandry an’i Piera sy namela azy hiditra aloha tao amin’ny fasana. Nanaiky ny fifampitondrana nisy tao amin’ny apôstôly izay napetrak’i Jesoa i Joany. Tsy nisalovana izany izy, na dia nanan-tombo aza, fa dia nanaja fatratra ny tandrify azy sy ny an’i Piera. Hatraiza ny fankatoavantsika ny dimbin’ny apôstôly nanankinan’Izy Tompo fiitantanana antsika vahoakan’Andriamanitra ? Mahay manaiky am-pitiavana izay andraikitra tandrify antsika sy izay tandrify ny hafa ve isika ao amin’ny Eglizy ? Sao sanatria ka misalovana ny anjara andraikitry ny hafa tsy tokony hosahanintsika ?