Alakamisy 22 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56
Mampianatra antsika eto ny Evanjely fa fanomezan'Andriamanitra izay rehetra eo am-pelatanantsika, eny fa na dia ny taranaka aza. Manasongadina an'i Masina Maria ihany koa i Masindahy Lioka amin'izany ka narindrany ho tononkira ny fiainan’ity renin'Andriamanitra ity, ary hiraintsika isan’andro izany. Notsilovin'Andriamanitra ny fahambaniantsika, mahefa ny asa mahery tamin'ny sandriny izy ary mahefa zava-dehibe amintsika tsirairay avy. Izay mahatsapa izany ihany no afaka mankalaza azy nahary, na mbola tsy mangataka aza isika dia fantatry ny Ray izay mahasoa. Mitsinjo ny zanany rahetra izy. Tsy hoe sanatria, niangaran'Andriamanitra i Masina Maria fa asehon'ny Fiangonana kosa, ho modely ka na dia teo aza ny ngidim-piainana natrehany tety ambonin'ity tany ity, dia ny lanitra kosa no valisoa nomena azy, satria zanaka mendrika handova ny fanjakana izy, mino sy matoky ny fitiavan'ny Ray. Izany finoana izany no nahafahany nihira sy ahafahantsiaka mihira ihany koa ny tononkiran'ny Maria eto am-pamakivakiana ny fiainana eto an tany.
Ny litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy ny tononkiran'i Maria isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe nontanterahan'Andriamanitra mandritra ny andro, ka hamaranana ny andro amin'izany hafaliam-po izany.
Ireto ny asa fito nataon'Andriamantra araka ny fitanisan’i Masina Maria :
- Ny sandriny mahery no natsotrany hanavotra izay very (Det 5, 18);
- Mampiahaka ireo mpiavonavona izy, dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin'ny tenany ;
- Nanongana ny mpifehy ;
- Nasandrany ny ambany ;
- Ny noana hovokisany ;
- Fa ny mpanan-karena hampitondrainy tanam-polo tsy misy hitondra na inona na inona, hiala amin'ity tany ity, afa-tsy ny harena nohariantsika teo anatrehan'Andriamanitra ;
- Miahy Andriamanitra, ary ampahatsiahivin'i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany.
Hanomana ny fontsika hankaza ny Noely anie, ny fitanisana ny zava-tsoa ataon'Andriamanitra ho antsika.