Alatsinainy 19 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 5-25

Voalazan’ny Evanjely fa na i Zakaria na i Elizabeta dia samy marina teo imason’Andriamanitra. I Joany no anarana tian’Andriamanitra iantsoana antsika rehetra fanomezana fahasoavana ombam-pitiavana avy amin’Andriamanitra. Ny olombelona rehetra hatrany am-bohoka, eny fa na dia zary fanafitohinana ho an’ny sasany aza izany ka tonga hatramin’ny fandavany izany fanomezana izany sy ny fanalan-jaza. I Joany zanak’i Zakaria. Ny dikan’ny hoe Zakaria dia hoe (Andriamanitra mahatsiaro) ny Elizabeta indray dia hoe (Andriamanitry ny fihanihanana).

I Joany no fahatanterahan’izany. Fanomezana avy amin’Andriamanitra nampanantenaina, mihaino vavaka ihany koa izy, tsy mivadiaka tamin’ny teny nomeny fa tanterahany izay nolazainy araka ny fotoana maha mety azy. Ny fananana finoana no ahafahana manaiky ny sitrapon’Andriamanitra. Tonga moana i Zakaria, noho ny tsy fahampian’ny finoany kanefa nahita kosa ny sitrapon’Andriamanitra sy nanaiky izany taty aoriana, mba hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny. I Joany no ataonao anarany dia ho faly sy ravo ianao ary maro koa no ho faly amin’ny fahaterahany. Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny fa anisan’ny zava-dehibe koa ny hoe hampody ny fon’ny Ray amin’ny zanaka sy ny fon’ny zanaka amin’ny Ray dia mba hitohizan’ny fiampitan’ny lalàn’i Moizy hanamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...