Alahady 18 desambra 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24

Hiara-monina amintsika Andriamanitra. Indro ny virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ary ny anarany atao hoe “Emanoela” izany hoe amintsika Andriamanitra.

Efa antomotra ny Noely. Tsara ny manao jery todika an’izay vita, niantso fibebahana sy fiambenana i Matio ny alahady voalohany satria tsy fantatra izay hiavian’ny zanak’olona (Mt 24, 37-44) izany fibebahana izany anefa dia mila porofoina amin’ny fiainana andavanandro ; manaova asa mifanahaka amin’ny fibebahana, ny alahady manaraka ireo, asam-pinoana izay manomana antsika handray ny Batemin’ny Fanahy Masina. Avy eo hanohy ny asan’i Jesoa voairaka hampanjaka ny fitiavana (Mt 11, 2-11)

Rehefa tsapantsika ny fanafahana nentin’i Kristy ka feno fanantenana ny fontsika dia ho tsapantsika koa fa tsy mandao antsika Andriamanitra, eo anivontsika mandrakizay izy.

Asiantsika resaka ny momba an’i Masindahy Josefa “Aza matahotra ny hampiakatra an’i Maria ho vadinao”. I Josefa no ilay lehilahy marina voalaza ny Soratra Masina ny hanokatra ny lalana hodiavin’izay rehetra mino ilay teny tonga nofo ka omeny ny fahefana maha zanak’Andriamanitra (Jo 1, 12).

Antsoin’Andriamanitra koa isika hamonjy ny aina, hiahy ny zanany hanome azy ny anarana hahatsiarovana fa mamonjy antsika Andriamanitra. Ambaran’i Masindahy Matio koa anefa ny tsy fisian’ny firaisana teo amin’i Maria sy i Josefa (and. 18-25). Tsy afaka handray an’i Jesoa izay tsy manaiky handray an’izay efa nanaiky sy nino ny teny ka mahatonga azy ho nofo tao an-kibo toa an’i Masina Maria no fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra natao tamin’ny Israely, ilay Siaona vaovao, ilay Eva renin’ny aina, nahazahoantsika ny Tompon’ny aina.

Ka izay te ho kristianina araka izany tahaka an’i Josefa tahaka ilay mpianatra malala teo am-pototry ny lakroa koa, dia tsy maintsy mandray an’i Maria, manaiky ho zanany. Ny maha olomasina an’i Josefa koa anefa dia hahafahantsika mandray am-pitiavana ny fahasoavan’Andriamanitra. Ao anaty torimaso no nitenenan’Andriamanitra taminy, tahaka an’i Jakoba (Jen. 28, 10) ary tahaka an’i Elia (1 Mpanjaka 19, 1 ss) ary ho an’ny Apôstôly nitsoaka koa dia tao amin’ny fatorian’ny zanany no nanambarany ny fara fitiavany tsy nofy, nofinofim-paniriana fotsiny anefa izany fa ilay torimaso hahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny zavatra rehetra ka maniraka antsika ho fitaovana hoentiny maneho ny fitiavany ny olon-drehetra.

I Josefa lehilahy marina dia vonona hiaro ny aina na ny ain’i Maria na ny an’ilay zaza aloaky ny kibony. Firifiry moa ny zaza tsy mahita masoandro noho ny herisetra sy ny fitiavan-tenan’ny ray na ny reny. Izay tsy mandray sy manaiky ny teny tonga nofo ao aminy toa an’i Maria dia tsy afaka ny hanonofy mba hiposahan’ny mazava atsinanana vaovao.

Tsy azontsika hadinoina fa tsy ho foana ny tolona raha tsy ny firenena rehetra no hirohotra ho any amin’ny Tompo ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba (Izaia 2, 1-5).

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...