Alatsinainy 17 febroary 2020 — Herinandro fahenina mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 11-13 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho amin'ny lala-mahitsy aho.

0 : 00

Tsy sanatria akory hoe: “tsy fahombiazana ho an’i Kristy” eto no votoatin’ny Evanjely nambara tamintsika teo fa fanehoana ny toetrantsika olombelona manoloana ny asa sy ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy.

Ny finoana mantsy no varavarana handraisana izay zaran’Andriamanitra amintsika olombelona ary hery manentana ihany koa hampamokatra izany eo amin’ny sehatra rehetra misy antsika.

Endriky ny tsy finoana, izany hoe: tsy fisian’ny fahafahana anaty handray sy hanaiky an’Andriamanitra ny fitadiavana famantarana nataon’ireto Farisianina nanatona an’i Jesoa ireto, na dia niarahan’izy ireo nahita aza ny fampitomboana ny mofo nataon’i Jesoa (Mk 8, 1-11), fahagagana nataon’i Jesoa mialoha ity Evanjely nambara tamintsika teo ity. Antony nahatonga Azy tsy nanome famantarana ho azy ireo.

Ho an’izay mino mantsy dia tsy mandeha ho azy na zavatra mandalo fotsiny ny famantarana na ireo asa sy fahagagana ataon’i Jesoa fa mitondra azy ireo mandrakariva haniry an’Andriamanitra sy hanova ny toetra sy ny fomba fiainany hahatonga ny Fanjakan’Andriamanitra, izay tanjon’ny asa sy ny fampianaran’i Kristy.

Noho izany raha mino marina isika dia tsy haka fanahy an’Andriamanitra, na hiandry porofo, na hila voatsiary fa hatoky ny fitiavany antsika ao amin’i Jesoa Kristy, nanolotra ny ainy ho fanavotana antsika.

Tsarovy àry fa fianarana sy fiainana ho antsika ny Soratra Masina, fa indrindra izay nataon’i Jesoa. Koa enga anie mba zary ho fanoitra hampahatoky antsika fa tia antsika Andriamanitra.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...