Alatsinainy 14 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 35-43
Azo lazaina hoe : Dingana tokony izorantsika olombelona, ity nanjo sy nampahiratana an’ity jamba, tantarain’ny Evanjely teo ity, mba hanarahan-dia akaikaiky kokoa an’i Jesoa. Tsy ny fomba na izay heverintsika fa mety mantsy no iainantsika na ataontsika rahefa manara-dia Azy isika, fa izay atorony sy ampianariny. Io ilay fiainana kristianina, miavaka amin’ny maro ary toa manohariana amin’ny fomban’izao tontolo izao mihitsy aza. Tsy afaka halala an'i Kristy isika raha tsy ampahiratiny, izany hoe sitraniny amin’ny fahajambana :
- Fahajambana ara-panahy, hisokafan’ny tenantsika sy ny fiainantsika manontolo any amin’Andriamanitra, mba ankatoavantsika sy itandremantsika ny didiny.
- Afahany amin’ny fahajamban’ny fo mba hitempo fitiavana ny olona rehetra fa indrindra ireo mila ny fanampiana avy amintsika.
- Sitraniny amin’ny fahajamban’ny saina mba hahay hitsinjo ny ho avy, hikatsaka ny soa ho an’ny maro; hanatsara ny fomba enti-miaina, tsy hanaonao foana fa hahay handinika sy handanjalanja ny atao, fa indrindra izay sitrak’Andriamanitra tokony ho tanterahina.
Ireo lafiny ireo no fototra iainana ny maha kristianina, ka mila ampahiratina tsara. Hahatonga ny tsirairay ho, isan’ny mpianatra, mpanara-dia an'i Kristy. Tsy ho very na sarona ao anatin’ny maro fa ho tena mpanara-dia Azy akaiky. Ombieny ombieny ny fiainana, tonga amin’ny fomba fiteny hoe : "Izay mahamay aloha no tsofina" ka adino na modia tsy hita ny maha kristianina ny tena; indraindray tao minia mikipy tsy te hahalala amin’ireo toetra sy fomba fiaina mampiavaka amin’ny maha mpivavaka na maha kristianina.
Izay jamba aoka hiaiky ny fahajambany ary hanatona an'i Kristy mba hampahiratiny. Ary izay efa mahiratra, tsy hihevitra ny tenany ho jamba. Mba ho hita taratra ny maha fanasina sy fahazavana antsika.