Talata 20 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 19-21

Sao sendra misy diso hevitra na diso fandray àry isika, raha mandinika ity tenin'Andriamanitra nohenointsika teo ity ka sahy hilaza hoe fa adala ve i Kirsty sa mody adala no tsy mahalala ny reniny izay manatona azy. Na koa hanambara ity voalazan'ny fianakaviany ity araka ny voasoratra amin'ny Marka 3, 21, milaza hoe : "Efa very saina izy". Tsy izany tsy akory, fa i Kristy no tonga tety an-tany dia tonga ho an'ny olon-drehetra, indrindra ho an'izay mihaino sy mankato ny teniny. Tsy hoe manilika ny reniny na manao tsinontsinona azy i Kristy eto fa te hanamafy aza fa ny fianakaviany dia ny olon-drehetra, indrindra ireo tsy misaraka aminy. Midika izany fa tsy manavaka i Kristy. Isika rehetra izao àry no fianakavian'Andriamanitra, koa mahaiza mankato sy mihaino ny teniny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...