Talata 30 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37

Izany tokoa ilay hoe : "Ny teny manaitra fa ny atao mahasarika." Nasehon'i Kristy miharihary an'ireo vahoaka tonga tao amin’ny Sinagoga ny maha Mesia, voahosotry ny Fanahy Masina Azy. Tsy anarana isalorana ny maha Andriamanitra Azy fa tena maha izy Azy mihitsy. Ary hita taratra tamin’ny teny sy fihetsika nataony izay maha Andriamanitra Azy izay. Rariny raha toa ka niavaka ny fahitan’ny olona Azy : "Niteny toy ny manam-pahefana." Io nataon'i Kristy io dia fianarana ho antsika, hialana amin’ny volana antetina sy endrika ivelany fotsiny ihany ary isehoan’ny tena maha izy antsika. Zanak’Andriamanitra, toa an'i Kristy isika, dia tokony homarihan'izany amin’ny ataontsika sy ny fiainantsika manontolo. Tsy anarana entina ny maha Kristianina fa fiovan-toetra tanteraka, noho ny fanosorana antsika tamin’ny Batemy ; ka mitaky fiainam-baovao araka an’Andriamanitra. Anisan’ny endriky ny fiainam-baovao asehontsika :

Ny fanatonantsika an’ Andriamanitra, toy ny nataon'ilay azon’ny demony, tsy manadino an’Andriamanitra na dia mpanota aza fa tonga niombona tamin'ireo vahoaka tonga nivavaka sy nihaino ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Sinagoga. Tandindona manambara ny endri-pifandraisana lalina vokatry ny Batemy io tsy fanadinoana an’Andriamanitra io, lazaina amin’ny teny tsotra hoe : Mivavaka: toetra maneho ny maha Kristianina, ka tsy tokony atao ambanin-javatra.

Ny manaiky ho afahana amin'ireo geja maro ataon’ny Demony. Tsy tonga hampianatra antsika ny fomba entintsika mankato an’Andriamanitra fotsiny ihany akory i Kristy fa tonga koa Izy haneho ny herin’Andriamanitra mba haha olona afaka antsika tanteraka. Ka ny fanekentsika mba ho hafahany amin’ny fahotana sy ny haratsiana no iainatsika ny maha zandriny antsika.

Ny fiezahana tsy hijanona hiaina ao anaty toe-pahotana, izay sakana mahatonga antsika hanjakan’ny ratsy. Toy ny fiainana ao anaty tokantrano imaso, ny tsy fandraisana ny indrafon’Andriamanitra amin’ny konfesy, ary ny tsy te hiala amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fahotana.

Raha tsorina dia hoe : "fiainana tahafina ao amin'i Kristy ny fiainana Kristianina, marina sy mahitsy ary lavitry ny fahotana." Tsy ho tanteraka izany raha tsy eo ny fiombonantsika amin’Andriamanitra sy ady amin’ny ratsy. Koa enga anie tsy ho adinontsika.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...