Alahady 21 aogositra 2022 — Alahady faha iraika amby roapolo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30

Fetin’i Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra amin’ity alahady alahady 21 aogositra ity fa naroso teo ny Evanjely amin’izao alahady faha-21 mandavantaona amin’ny Taona D izao, entanin’ny foto-kevitra hoe : "Fianakaviana : iray eto an-tany, iray any an-danitra isika" Manamafy izany ny fahendren-drazana Malagasy hoe : "Velona iray trano, maty iray fasana" fa miampy ho antsika hoe : "Iray lanitra", satria io no tanjona itodihantsika mianakavy. Mampianatra sy manoro lalana antsika i Jesoa amin’ny Evanjely eto mba hahatongavana any, hoy Izy : "Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety". Ka ireo tsy te hananosarotra tsy ho tafiditra any. Ny mikely aina eto midika hoe : manao izay tratry ny aina fa tsy hoe izay mahia ihany no ho tonga any an-danitra fa izay matavy tsy ho tafiditra any velively, tsia tsy izany no nolazainy, fa misy ezaka tsy maintsy atao isan’andro irosoana amin’ny dingana hahatratrarana ny lanitra. Izany hoe, tsy maintsy mamola-tena aloha isika, miala amin’ny fahazaran-dratsy rehetra mety mampibontsina antsika ka manakana sy mamesatra antsika tsy ho tafiditra amin’ny varavarana ety.

Koa aza mibontsin’ny fahotana, mizihitra amin’ny avonavona, matavin’ny hadalana, botrefina amin’ny fifanaratsiana sy fifanenjehana, aza bolangina amin’ny ditra, aza matavin’ny halatra sy soloky, aza mavesatry ny fialonana sy ny hasomparana, aza mibaby ady sy fifamonoana, aza misakelika fihatsaram-belatsihy sy hasomparana, aza miloloha hakamoana sy fahihirana, aza mitrotro salobon-komana na ny tia kely na koa fitiavan-tena tafahoatra, aza mivimbina fanakavahana sy fanilikilihana. Fa aoka kosa ho ampoky ny fitiavana sy ny indra fo ka hikely aina amin’ny fifamelana sy ny fifanampiana. Izany hoe : miara-dia mankany an-danitra fa tsy mifanipaka toa valala an-karona na mandripaka toa virus amin’ny ordinateur na toy ny corona ka ho afaka mifampitantana tsara hatrany, tsy hijanona raha tsy tonga any an-danitra, tsy hisy hanakana. Toa an’ireo olon-tsotra tsy misy fitaka izay zanaka handova ny lanitra.

Raha ny marina dia ny refin’ny fitiavana sy ny soliky ny indra fo no manampy antsika hiditra moramora amin’io varavarana lazain’i Jesoa io. Koa aza maika milingilingy ho any raha tsy miaina an’ireo aloha dieny ety an-tany. Azo lazaina koa fa Izy Jesoa no tena Varavarana tsy maintsy hidirantsika, koa aza diso varavarana na mitady varavarana hafa fa efa misokatra ho antsika rehetra Izy, fa sady lalana mankany Izy no Varavarana idirana ihany koa ary Izy koa aza no mbola hampipetraka hihinana antsika rehefa tafiditra any. Koa ny Tenany aroso hohanintsika isan’andro, indrindra amin’izao alahady izao no vatsy tsara indrindra hoentintsika mankany.

Amin’izao fetin’i Victoire Rasoamanarivo izao, angataho izy hanampy antsika hiaina bebe kokoa izany satria modely ho antsika izy nikely aina niditra tamin’ny varavarana ety.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...