Alakamisy 7 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15

Izay i Kristy izay, misokatra ny vavany ary manafatra ny mpianany izy. Faritany mazava tsara ny asa hanirahany azy, hamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ireo sahirana, toy ny marary, ny boka, ny azon'ny demony, eny fa hatramin'ny maty aza asainy hatsangana. Tena raharaha sarotra no anirahan'i Kristy azy ireo, izany tokoa ny mitory ny fanjakan'Andriamanitra. Mitsinjo lavitra i Kristy, manafatra ny mpianany na dia eo akaikintsika mandrakariva aza izy. Maimaimpoana ihany koa fa tsy misy tambiny ny asa atao, izany hoe tsy hitadiavana tombontsoa na voninahitra, nefa ampanantenain'i Kristy kosa, izay sahaza azy, ireo irahiny manao hoe : "Mendrika ny homen-kanina ny mpiasa". Tsy avelany ho sahirana na hijaly ireo irahiny fa ankahereziny mandrakariva, ary toroany hevitra eo anatrehan'ireo tsy mandray azy.

Izany tokoa no mampiseho fa miara-miaina amin'ny mahantra i Kristy ary tsotra amin'ny fiainany. Mahalala ny manjo izay irahiny. Maniraka izy, kanefa tsy mamela ho irery ireo irahiny ; manafatra ihany koa nefa miara-miaina amin'ireo irahiny. Toa omeny tsiny ireo tsy mandray izay nirahiny, ary helohiny mihitsy aza. Izany no midika fa tsy maintsy torina ny Vaovao Mahafaly, kanefa tsy atao hahakivy ny tsy fahombiazana mitranga, fa anjaran'Andriamanitra no mamaly ireny, tsy atao hahagaga ihany koa fa manana ny fahalalany ny olombelona, nefa voafetra ihany izany eo anatrehan'Andriamanitra.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...