Zoma 07 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoran'i Masindahy Marka 6, 14-29 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin'ny Fahamarinanao aho.

0 : 00

Ny filazan’i Md Marka ny nahafatesan’i Joany Batista eto amin’ity Evanjely ity, dia maneho ny fomba nanoherana ireo mpaminany teo aloha sy izay mety hanjo ihany koa ireo Apôstôly na ireo Kristianina, vavolombelon’ny finoana.

Tsy zavatra mandeha ho azy mantsy ny maha Apôstôly na ny maha kristianina fa mifaningotra mandrakariva amin’ny aina: toe-piainana tsy maintsy ijoroana ary iaretana hatramin’ny farany. Ny fiainantsika io toe-piainana io no maneho ny tena maha izy antsika eo anatrehan’Andriamanitra no sady hikatsahantsika mandrakariva an’izay notorian’i Kristy dia ny Fanjakan’Andriamanitra.

Mila olona toa an’i Joany Batista izao andro diavintsika izao: sahy hanambara sy hijoro amin’ny marina, tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy ary vonona ny hijoro hatramin’ny farany na dia hihatra aman’aina aza.

Enga anie mba tsy hataontsika anaran-tsy very na ho malaza tsy hinanana toa lovian-tsahona ny maha kristianina sy ny maha mpino antsika fa mba ho tena iainantsika tokoa, mba hiarihary ny maha “Fanasina sy Fahazavana” antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...