Talata 5 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy  — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 21-30

Mitohy hatrany ny fifandirana nisy teo amin’i Jesoa sy ireo Jody izay tsy nety nino Azy. Teto dia mahakasika ny fahafatesana no resaka. Ho an’i Jesoa mantsy dia efa safidiny mihitsy sady sitrapon’ilay Ray naniraka Azy ny ho faty mba ho famonjena ny olombelona rehetra. Fa ho an’ireo Jody kosa dia ho faty ao anatin’ny fahotana noho ny tsy finoany an’i Jesoa. Tsy mety mino mantsy izy ireo fa Izy no Mesia Zanak’Andriamanitra. Isika ihany koa rehefa tsy mino Azy dia ho faty ao anatin’ny fahotana. Ny finoana tokoa mantsy no nitondra antsika ho any amin’ny famonjena. Ary izay no fanambarana nentin’i Kristy ho an’ireto Jody izay tsy nenty nino Azy ireto.

Amin’izao vanim-potoana ny Karemy izao àry dia ilaina mandrakariva ny mamelombelona ny finoantsika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fialana amin’ireo toetra ratsy. Tano mafy àry ny finoantsika an’i Jesoa maty sy nalevina ary nitsangan-ko velona mba hahafahantsika miara-mandresy miaraka Aminy.

Tompo ô,omeo finoana izahay hankahery anay osa sy malemy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...