Alakamisy 17 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31

Eo am-pitantarana an’ity fanoharana mahakasika an’ilay mpanankarena sy i Lazara mahantra no anasan’i Jesoa Kristy antsika hahay hampiasa araka ny tokony ho izy ny harena ary anasany antsika ihany koa hibebaka.

Sahirana amin’ny akanjo lafo vidy sy amin’ny fanaovam-pety isan’andro ity mpanankarena. Tsy afaka nahita ireo olona sahirana teo akaikiny izany, ary indrindra indrindra tsy nanany fotoana handinihana ny fiainana mandrakizay velively. Azo heverina fa nihidy amin’ny tenany izy ka nanadino an’Andriamanitra sy ny fiahiana ary ny fanajana ireo mahantra teo amin’ny manodidina azy. Sokajin’irony olona mametraka ny vola aman-karena hisolo ny toeran’Andriamanitra ity mpanankarena lazain’ny fanoharana eto ity. Vokatr’izany tsy heveriny ho fanomezan’Andriamanitra intsony ny vola aman-karena fa nivadika ho ratsy izay hiantraika amin’ny fiainany any an-koatra.

Nolazaintsika teo ihany koa fa antsoin’i Jesoa hibebaka isika araka ny voalaza ao amin’ny Evanjely, fa fibebahana inona anefa izany ?

Nitalaho tamin’i Abrahama ilay mpanankarena rehefa tonga tany an-danitra mba handefa olona avy aty an-danitra hampitandrina ireo rahalahiny sisa velona. Heverin’ity mpanankarena fa vokatry ny fahagagana ny fibebahana. Fa i Abrahama kosa nilaza mazava fa ny fibebahana ankasitrahan’Andriamanitra dia vokatry ny fihainoana sy ny fankatoavana ary ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra.

Angataho àry Andriamanitra, mba hahaizantsika mampiasa araka ny tokony ho izy ireo harena nomeny antsika sy hiainantsika ny Teniny fa izany no hahafahantsika manatanteraka ny sitrapony irery ihany eo amin’ny fiainantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...