Alarobia 22 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny vavanao.

0 : 00

Mitohy hatrany ny adihevitra momba ny sabata. Voalaza omaly fa ny aina no tanjona, ary ambonin'ny zavatra rehetra ny famonjena. Mety manaiky izany isika eo am-bava, fa tena izany tokoa ve? Eto àry, i Jesoa dia manontany hoe inona no mety? Ny manao soa sa ny manao ny ratsy rehefa sabata ny andro? Ny mamonjy sa ny mamono? Mampitodika ny tsirairay amin'ny kônsiansiny Izy. Te hanontany hoe: "Azonao ve ny votoatin'ny lalàna? Azonao ve ny votoatin'ny sabata izay androm-pamonjena, andron'ny fiainana, andro fanaovan-tsoa?" Izay mamonjy olona latsaka an-katerena dia sitrak'Andriamanitra tokoa na rahoviana na rahoviana.

Nijery ireo mpampihatra lalàna hamoretana i Jesoa. Nijery azy ireo tamin-katezerana ary nalahelo. Tena olombelona tokoa i Jesoa, olombelona zato isan-jato fa tsy saritsariny fotsiny akory, nanana fihetsem-po tahaka ny olona rehetra. Izay tena maha olombelona azy izay no mahatanteraka ny famonjena tokoa. Na tezitra aza anefa Izy, tsy nanao ratsy, tsy nanota. Mampianatra antsika hanindry ny fihetsem-po izany. Matoa fampianarana aloha no nataon'i Jesoa vao nanasitrana ilay marary, dia satria misy saina sy fanahy tiany hapetraka ao: tsy mpananao fahagagana fotsiny Izy, tsy mpanao "magie", fa Mpamonjy ka finoana no entina manatona azy.

Averina ihany fa tsy fitia te handika lalàna ny an'i Jesoa, na sanatria koa fandranitana ady amin'ireo Farisianina sy mpanora-dalàna sarotsarotiny, fa te hampianatra antsika Izy fa ny aina sy ny maha olona aloha no tanjona. Ary tsy ny lalàna fa ny fiainana. Aoka àry, ho maimay isika hamonjy fanahy fa izany no sitrakan'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...