Ny hevitry ny hoe : Mpaminany dia hoe "mitory ny vaovao mahafaly, mitory ny tenin'Andriamanitra". I Jesoa dia mpaminany lehibe fa Izy no nanambara ny Fanjakàn'ny Rainy, tsy tamin'ny teniny ihany fa tamin'ny toe-piainany ihany koa. Tsy ireo mpandraharaha masina ao amin'ny Fiangonana ihany akory no mpitory teny fa ny Lahika ihany koa amin'ny alalan'ny finoana noraisany, vokatry ny toriteny... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...