I Masimbavy Émérentienne na Émérance no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 23 janoary. Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Émérentienne, andevo izy, zanak'ilay mpitaiza an'i Masimbavy Agnès. Nibebaka ho kristianina izy noho ny fahitany fiainan'i Agnès izay noraisiny ho toy ny rahavaviny mihitsy. Olona irey ihany moa no nampinono azy mirahavavy ireto.

Nanatrika ny namonoana ho martiry an'i Agnès i Émérentienne. Taorian'ny nahafatesan'i Agnès dia mandeha mivavaka eny amin'ny fasana nandevenana an'i Agnès izy isan'andro. Fantatra tamin'izay fa krisitanina izy, ary notoraham-bato teo amin'ny kibony teo amin'izany fasan'i Masimbavy Agnès izany. Nalevina teo anilan'i Masimbavy Agnès ao amin'ny Basilique Sainte-Agnès-hors-les-Murs ao Roma.

Maro ny fiangonana mitondra ny anaran'i Masimbavy Agnès, fa ny tsaroana etoana dia ny lasapely ao La Pouëze (Maine-et-Loire) sy ny ao amin'ny Institut Notre-Dame-de-Vie (Venasque) izay samy hanajana ity olomasina ity. I Masimbavy Émérentienne ihany koa no mpiaro ny Maisoncelles-du-Maine. Ny sary fanehoana an'i Masimbavy Émérentienne na Émérance dia vehivavy mitondra vato ao anaty aron'akanjo, famantarana ny nitoraham-bato azy teo amin'ny kibony. Antsoina izy raha sendra marary kibo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...