Ankalazain'ny Fiangonana ny 19 janoary i Masindahy Maris. Olomanan-kaja avy any Perse i Masindahy Maris, niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy. Nibebaka ho kristianina izy ary nanaraka azy koa ny ankohonany dia tsy iza izany fa i Marthe vadiny sy ny zanany roalahy dia i Audifax sy i Abacum.

Nankany Roma izy efa-mianaka ireto mba haneho mari-panajana ny fasan'ireo martiry, ny fasan'i Masindahy Pierre sy Paul apôstôly. Maro ny fanenjehana ny kristianina ka tany i Maris no nankahery ireo kristianina, nanohana azy ireo tamin'ny fikarakarana sy namonjy azy ireo. I Maris ihany koa no mandevina ny vatan'izay maty. Nosamborina noho izany izy, nokapohana tamin'ny kibay, nofatorana tamin'ny tady, nodorana tamin'ny hareza mirehitr'afo, noratrina tamin'ny faraingo vy. Farany nentina namakivaky ny tanàna izy: notapahana ny tànany, nahantona ny lohany ary nentina tao Cornelia, 21km miala ao Roma. Teo amin'io toerana io izy no novonoina sy notapahan-doha.

Izy telo mianaka lehilahy: i Maris, Audifax ary i Abacum, no niharan'ny famonoana noho ny finoana an'i Jesoa Kristy. I Marthe kosa novonoina ary natsipy tao anaty afo. Vehivavy romanina antsoina hoe Félicité moa no naka sy nikarakara ny sisa tsy may tamin'ny vatan'izy ireo ary nandevina izany teo an-tokotaniny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...