I Masindahy Lucien de Beauvais no ankalazaina ny 08 janoary. Nipoitra avy amina fianakaviana romanina i Lucien. Lucius mitovy amin'ny anaran-drainy no fiantso azy fa novany ho Lucien io tamin'ny fotoana nihainoany ny fampianaran'i Masindahy Pierre. Nitety an'i Italie izy nitory ny Vaovao Mahafaly.

Nenjehina izy tamin'ny fandalovany tao Parme, nohidina an-tranomaizina nefa ny alin'iny ihany izy dia nandositra. Tokony ho tamin'ny taona 250 izy no nohamasinin'ny Papa ho eveka ka nalefa nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule niaraka tamin'i Masindahy Denis sy Masindahy Rieul.

Namakivaky an'i France izy ary nitoetra tao Caesaromagus na Beauvais ankehitriny. Ny toe-panahiny, ny asa nataony sy ny fahagagana vitan'i Lucien tao Beauvais dia nampibebaka olona maro efa ho 30.000. Ny taona 390, nanenjika ny kristianina ny Amperora Dioclétien ka nandefa an'i Latinus sy Jarius ary i Antor mba hamono an'i Lucien. Rehefa fantatr'i Lucien izany loza nananontanona azy izany dia nandeha nialokaloka tany Montmille izy niaraka tamin'i Maxien sy Julien. Hitan'ireo Romanina anefa izy ireo ka avy hatrany dia notapahana ny lohan'i Maxien sy i Julien. I Lucien kosa nokapohan'izy ireo tamin'ny firitsoka vao notapahan-doha.

Taorian'ny nahafatesan'i Lucien dia nohodidinin'ny hazavana ny vatany ary ireo olona nanatrika teo dia nandre feo nilaza hoe: "Mahereza ry mpanompo tsara sy mahatoky, izy tsy natahotra nandatsaka ny ràny ho ahy. Avia, raiso ny satro-boninahitra nampanantenaiko anao." Nitsangana tamin'izay ny vatan'i Lucien ka nandray ny lohany ary nizotra nankany Beauvais. Rehefa tonga teo amin'ny farihin'i Beauvais iszy dia nijanona ary teo no nalevina ny vatany. Anisan'ireo olomasina antsoina hoe "céphalophore" izany i Masindahy Lucien.

Marihana fa i Lucien no eveka voalohan'io toerana io. Nanorenana trano fitokana-monina lehibe teo amin'io toerana nitahirizana ny "reliques" an'i Lucien io. Rava matetika anefa izy io noho ny fanafihana nataon'ireo mpikomy, nefa na izany aza mbola misy fiangonana hanajana azy ao amin'ny Notre-Dame du Thil ao Beauvais. Mbola misy manao fivahinianana masina ihany koa any Montmille, ilay toerana namonoana azy.

Ny tarigetram-piainan'i Masindahy lucien dia ny hoe: "Mino amin'ny foko aho, miaiky ny vavako fa i Jesoa Kristy no Zanak'Andriamanitra".

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...