29 desambra — Teraka ny taona 1117 avy amin'ny fianakaviana mpanan-karena tao London i Thomas Becket, ka noho ny fanohanan'ny fianakaviany dia afaka nanohy ny fianarany tany Paris izy. Niara-niasa tamin'ny Thibaut, arseveka tao Cantorbery izy, izay nandefa azy ho any Roma ny taona 1151 ka hatramin'ny 1153 sy tany amin'ny sekoly tao Bologne sy Auxerre izay nanofana azy ho mpahay lalana.

Nifanerasera tamin'i Henri II izy avy eo, ary io no nanendry azy ho Chancelier tao Angleterre, tao aorian'ny nandren'ny arseveka azy ho arsidiakra tao Canterbury. Nanantena i Henri II fa azo atao amin'izay hitiavana azy i Thomas ka notendreny ho arseveka tao Canterbury indray ny volana mey 1162, ka sady Chancelier no eveka mitantana diôsezy fito ambin'ny folo amin'ireo sivy ambin'ny folo tao Angleterre. Tao anatin'ny roa andro no nanaovana ny fanamasinana azy ho pretra sy ho eveka an'i Thomas Becket, ary nanomboka teo dia niady ny zon'ny Fiangonana izy.

Tamin'ny taona 1164, namoaka didy nantsoina hoe "Constitution de Clarendon" i Henri II, izay nilaza tamin'ny Fiangonana fa hiverina amin'ny fomba amam-panao taloha ny fanjakana, ka manohitra ny Lalan'ny Fiangonana, na ny Droit Cannon. Notoherin'i Thomas Becket avy hatrany izany. Tsy niray saina taminy intsony ireo eveka namany, toy ny tao York sy London, ka nalefa sesitany tany France izy nandritra ny enin-taona, izany hoe ny taona 1164 hatramin'ny taona 1170. Rehefa niverina tany an-tanindrazana izy ny volana jolay 1170 dia nanomboka indray ny olana satria nanohitra azy ireo tao amn'ny arsidiôseziny ka hoy i Henri II : "Tsy misy olona hanesotra eto amiko ity pretra ity ve ?" Ny alin'ny 29 desambra 1170 dia nisy miaramila Normands efatra, tonga namono azy tao amin'ny katedraly. Toa izao ny fitrangan'ny namonoana an'i Thomas Becket :

Ny 29 desambra, tokony ho tamin'ny iraika ambin'ny folo antoandro dia tonga ireto olona efatra, nandrahona azy ho faty, fa novaliny hoe : "Tsy mandositra fahafatesana aho, fa vonona handray azy". Tao aorian'ny sakafo hariva, tao am-piangonana, hanao ny vavaka hariva izy no niditra an-keriny tao ireo olona efatra. Nosakanan'ireo relijiozy mpitoka-monina tao ihany ireo olona ireo, fa hoy indray i Thomas Becket : "Tsy amin'ny herisetra no handresentsika ny fahavalo, fa amin'ny fijaliana. Vonona hanolotra ho sorona ny tenako aho, noho ny Fiangonana izay arovako". Niditra ireo mpamono, ka nitady azy, ary nitolo-batana izy. Mandosira, hoy izy ireo, raha tsy izany dia maty. Fa hoy i Thomas Becket : "Tsy handositra aho, fa ny faniriako dia ny hanolotra ny fanahiko ho an'ireo nandatsahan'ny Mpamonjy ny rany". Nokapohin'ireo olon-dratsy tao am-piangonana i Thomas Becket, ary hoy izy tamin'izay : "Maty an-tsitrapo noho ny anaran'i Jesoa sy fiarovana ny Fiangonana aho". Nohajain'ny vahoaka ho olomasina i Thomas Becket, ary noho ny fahagagana niseho tamin'ny alalan'ny vavaka niangaviana hataony, dia nasandratry ny papa Alexandre III ho olomasina izy ny 21 febroary 1173.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...