28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.

Araka ny voalaza ao amin'ny Evanjelin'ny Masindahy Matio 2, 13-18, rehefa tsy niverina ireo Majy izay nanontanian'i Hérode ny toerana misy izany zaza vao teraka izany, ka nampanantena azy ireto Majy fa hanoro ny toerana misy ilay Mpanjakan'ny Jody vao teraka, dia nasain'i Hérode novonoina avokoa ny zazakely roa taona no midina tao Bethléem sy ny manodidina, satria noheverina fa anisan'ireo i Jesoa. I Jesoa anefa tamin'izany dia efa nentin'i Joseph sy i Marie nankany Egypte.

Ao amin'ny fombam-pivavahana dia antsoina hoe tsy manan-tsiny ireo zaza ireo, ary heverina fa martiry novonoina noho i Kristy. Tsy mba nisy mpiaro, toa ilay zanak'ondry nentina hovonoina araka ny voalaza ao amin'ny Izaia 53, 7 sy ny Asan'ny Apôstôly 8, 32 izy ireo. Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao dia maro ireo ankizy iharan'ny herisetra ary voatohintohina ny hasina maha olona azy ireo, voahosihosy ny zony ary ny fiainany. Tsy lazaina intsony ireo zaza mbola any am-bohoka, tsy mahita ny anjara masoandrony akory dia alana aina. Heloka bevava izany, nefa dia misy lalana sahy manalefaka sy manome alalana ny fanalan-jaza. Noho ireny indrindra no mahatonga ny Fiangonana mankahery ny kristianina, hiady sy hanohitra izany herisetra izany, ary mampirisika ihany koa amin'ny fanajana ny aina sy ny soatoavina amin'ny maha masina azy ; ary indrindra ny asa fitiava-namana amin'ny fanampiana ireo reny miandry vohoka, ny fananganana ireo zaza tsy misy mpiahy ary ny fampivoarana ny fanabeazana ireo zaza ireo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...