26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.

Raha fehezina dia tsy nihambahamba mihitsy i Étienne, niady hevitra tamin'ireo Jody, ary naneho tamin'izy ireo fa i Jesoa, ilay nofantsihana, no tena Mesia ambaran'ny Soratra Masina. Very hevitra noho ny fahendrena sy ny fahasahian'i Étienne ireo tao amin'ny sinagaoga, ka nampirisika ny olona hanohitra an'i Étienne, sy hanendrikendrika azy ho niteny ratsy an'Andriamanitra sy i Moizy. Nomen'izy ireo fo ihany koa ny loholona sy ny vahoaka, ka nisambotra an'i Étienne sy nitondra azy teo amin'ny Sanedrina. Fa teo indrindra no nanaovan'i Étienne ny lahateny fampianarana momba ny famonjena nentin'i Jesoa Kristy. Izay no nahatonga azy ireo hisafaoka sy hihidy vazana, fa i Étienne kosa, feno ny Fanahy Masina, nimbanjina ny lanitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, ka nanao hoe : "Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin'ny Zanak'olona mitsangana eo an-kavanan'Andriamanitra". Tezitra noho izany ireto lehiben'ny Jody ka nihoraka sy nitondra an'i Étienne, nivoaka ny tanana ary nitora-bato azy. Nandritra izany i Étienne dia nivavaka sy nanolotra ny fanahiny tamin'Andriamanitra sy nanao hoe : "Tompo ô ! Aza tananao ny hadisoany". Rehefa vita izany vavaka izany dia nodimandry tao amin'ny Tompo izy. I Saoly no vavolombelon'izany rehetra izany, heverina fa ny fahitan'i Saoly io naha martiry an'i Étienne io no nahatonga azy hibebaka, ka lasa hoe Paoly.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...