15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.

[audio src="/images/sounds/saint-20201215.mp3" background="#0099ffff"]

Araka ny tantara dia babo namidin'ny olona tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izy io. Nonina tao Mtskheta, na Tbilissi amin'izao fotoana izao izy. Nanokan-tena nivavaka i Christiane ka noheverin'ny olona ho shaman, nefa dia nohajain'ireo Géorgiens ihany izy. Indray andro narary mafy, ambavahaonan'ny fahafatesana ny mpanjakavavy, ka i Nina no nanasitrana azy. Fanomezana marobe sy volamena no natolotr'io mpanjakavavy io ho azy ho valisoany tamin'izany, nefa nolaviny fa ny hany faniriany dia ny hibebehana'ilay mpanjakavavy hitodika amin'Andriamanitra. Nibebaka tokoa ity mpanajakavavy ity ary nanaraka azy toa izany koa ny mpanjaka vadiny sy ny olon'izy ireo tao amin'ny fanjakana. Niangavy tamin'ny patriarka tao Constantinople ny mpanjaka mba handefa eveka ho ao amin'ny fanjakany, i Nina kosa lasa nitoka-monina, ary amin'izao fotoana izao dia misy katedraly miorina eo amin'ny fasana nandevenana azy. Marihana fa ny Fiangonana Tatsinanana ihany koa dia manaja ity olomasina ity ny 14 janoary, ary toy ny mpitory ny Vaovao Mahafaly tamin'iny faritr'i Géorgie iny no fandraisana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...