23 nôvambra — Teraka tao Rome i Masindahy Clément, niaina tamin'ny taonjato voalohany izy. Mpanan-karena, nahita fianarana, ary nafana fo tamin'ny fitadiavana ny marina, ka tao ami'ny fivavahana kristianina no nahazoany fahafaham-po tamin'izay nilain'ny sainy sy ny fanahiny.

Tsy hoe kristianina fotsiny izy, fa nandimby ireo Apôstôly mihitsy tamin'ny fitoriana ny Evanjely, ary i Masindahy Paul ao amin'ny taratasy nosoratany ho an'ny Filipianina, dia mampahatsiahy ny asan'i Clément, sy nanome toky fa ho voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarany. Io fifandraisan'i Clément tamin'ny Apôstôly io, sy ny hafanam-pony ho an'ny finoana no niantsoana azy ho olon'ny asa fitoriana.

I Masindahy Clément no mpandimby fahatelo an'i Masindahy Pierre, nanomboka ny taona 91 hatramin'ny taona 101. Izany hoe tao aorian'ny papa Lin sy ny papa Clet. Izy izany no papa fahefatra. Nahita ny nirodanana sy ny fahafatesan'i Néron izy. Teo ihany koa ny fandraisana sy ny fahavoazan'i Jerosalema. Tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Vespasien no nentina teo amin'ny fitsarana i Clément, ary na inona na inona valinteniny nandritra ny fanadihadiana dia nazava ny fanirian'ny amperora : ny hanoloran'i Clément sorona eo amin'ny andriamanitry ny sampy, na alefa sesitany any Chersonèse. Akory ny hafaliany, nihaona tamin'ireo kristianina marobe tany an-tsesitany, nefa hoy izy hoe : "Tsy mendrika izao fahasoavana lehibe nataon'Andriamanitra izao aho."

Matetika no tsy nahazo rano i Clément sy ireo kristianina namany an-tsesitany, nefa niasa mafy, ka voatery tsy maintsy naka rano lavitra be. Natoky tanteraka an'Andriamanitra izy, ka hoy izy tamin'ireo Kristianina hoe : "Hivavaka amin'ny Tompo isika, izay manome loharano mipoitra avy amin'ny vato. Ho avy hanampy antsika izy". Dia nivavaka izy ireo, nasandrany ny masony, ary nahita teo amin'ny vohitra iray, ondry fotsy toa fanala ary teo amin'ny tongotr'io havanana no nanondro ny loharano niboiboika tampoka. Nanomboka teo dia nahazo rano betsaka izy ireo. Nisy akony tao an-tanana izany fahagagana izany ka nitombo ireo olona nibebaka, teo ihany koa ny fiangonana naoriny, ary tao aoriana kelin'izay dia potika tanteraka ny fanompoan-tsampy.

Hita amin'ireo asa soratra nepetrany, ireo tsanganana maneho ny iraka nataony. Tamin'ny fotoana nanjakan'i Trajan moa i Clément, tao aorian'izy natao sesitany nandritra ny roapolo taona, dia nenjehina noho ny hafanam-pony sy ny fahombiazany, ka natsipy tany anaty ranomasina ary nasiana vatofantsika ny vozony tamin'izany. Tonga nivavaka teo amoron-dranomasina ny kristianina, ka rehefa nisintona ny ranomasina dia niseho tamin'izy ireo ny vatan'ity martiry, ary nisy chapelle vita tamin'ny marbre, naorin'ny anjely ka tao no nitoeran'izany vatany izany. Nataon'ireo tantsambo ho olomasina mpiaro azy moa i Clément.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...