14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.
Mbola kely izy dia efa nahafantatra ny teny italianina toy ny fahaizany ny teny espagnol ihany koa, ary tena nilainy fatratra ny fahaizana izany fitenena izany tany aoriana. Niditra tao amin'ny noviciat tao Tarragone izy tamin'ny 05 mey 1753, tany Espagne io. Avy eo dia nanohy ny fianarana sy ny fiofanana tany Manrèse nandritra ny roa taona, ary nandalina ny filôzôfia tao Calatayud ny taona 1756 ka hatramin'ny taona 1759. Ary tao Saragosse indray izy no nandalina ny teôlôjia ny taona 1759 hatramin'ny 1763. Ny volana desambra 1762 izy no nohamasinina ho pretra, ary dia nijanona tao Saragosse izy nampianatra. Nampianatra ny katesizy ho an'ireo ankizy tena an-dalambe ihany koa izy, ary namangy ny marary sy ireo voafonja. Ny taona 1767 dia voaraoka tao Espagne ny Fikambanan'i Jesoa ary lasa an-tsesitany niaraka tamin'ireo namany i Joseph Pignatelli. Tany Corse izy aloha, avy eo nankany Ferrare ary tao no nihaonany tamin'ireo natao sesitany tany Mexique. Tao Ferrare i Joseph Pignatelli no nanonona ny voady farany amin'ny maha relijiozy zezoita azy tamin'ny taona 1771.
Ny 21 jolay 1773 dia nofoanan'i Clément XIV ny Fikambanan'i Jesoa, ka lasa i Joseph sy i Nicolas rahalahiny, samy zezoita, nipetraka tany Espagne tany Bologne. I Joseph nanohy ny fiainana maha relijiozy, fa i Nicolas kosa niverina tany amin'ny fiainana maha zanak'andriana azy. Tao Bologne i Joseph dia tafaraka ihany, nihaona tamin'ireo zezoita espagnols namany, izay sesitany ihany koa, ary izy ireo no nanomana sy nandrinra ny fanentanana ara-panahy sy ara-tsaina ihany koa izay nahafahan'izy ireo nankahery ireo izay natao an-tsesitany tsy mba nisy mpandray ary tsy mba nanana ny hoaviny akory. Ireo natao an-tsesitany ireo dia tsy mba afaka nanao ny asa maha pretra azy, ka i Joseph no nanoro hevitra azy ireo hanohy ny fampiasam-panahy. I Joseph Pgnatelli rahateo no mpitantana am-panahy ireo zanaky ny mpiray tampo aminy, ary nisy tamin'ireo nanambady ny zanaky ny duc de Villahermosa. Olona nanam-pahaizana tokoa i Pignatelli ka nikarakara, nanomana ireo fianakavian'andriana tao Bologne, fihaonana ara-kolontsaina sy ara-literatiora, izay nahafahany namerina ireo fianakaviana ireo tamin'ny finoana. Nanangona boky sy sary maro izy, ka rehefa nieritreritra izy ny hanarina ny Fikambanan'i Jesoa dia nomeny ny fianakaviana tao Saragosse ireo boky sy sary ireo.
Rehefa niezaka hatrany i Joseph Pignatelli tamin'izany fanavaozana izany, dia antsokosoko no nanavaozany ny voady tamin'ny lehiben'ny Fikambanan'i Jesoa tao Russie, tamin'ny 06 jolay 1779. Izy rahateo anefa, te hamerina amin'ny laoniny sy hamelona indray ny Fikambanan'i Jesoa, toy ny nataon'ny papa Pie VII tamin'ny zezoita tao Russie tamin'ny taona 1801. Noho izy akaiky ireo fianakavian'andriana sy mpanjaka, dia afaka nangataka tamin'ny papa izy, ny fanarenana sy ny fanorenana izany Fikambanan'i Jesoa izany. Nanaiky izany ny papa Pie VII, ka rehefa voaarina ny tao Parme tamin'ny taona 1804, dia nanarina ny tao amin'ny fanjakan'i Naples sy Sicile iny izy ; izy no voatendry ho lehiben'ny fikambanana voalohany tamin'izany faritra izany, ka ny lehiben'ny fikambanana tany Russie, P. Gabriel Gruber no nanendry azy ho amin'io toerana io. Maro ny toeram-piofanana nangatahan'ireo manam-pahefana teo an-toerana mba hosokafana, toy ny tany Rome, ny tany Tivoli, ny tany Orvieto... ary maro ihany koa ireo izay naniry hiditra tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa. Marihana fa ny 11 nôvambra 1811 no nodimandry i Joseph Pignatelli, ary ny taona 1954 izy no nasandratry ny papa Pie XII ho olomasina.