11 nôvambra — Teraka ny taona 316 tao Pannonie, tananan'i Sabaria, izany hoe Szombathely ao Hongrie amin'izao fotoana izao, i Martin. Avy ao Pavie, Italie avaratra ny rainy. Miaramila manamboninahitra tao am'ny tafiky ny empire romanina io rainy io. Ary tsy mahagaga ny anarany raha nataon'ny rainy hoe Martin, izay midika hoe manaja an'i Mars, andriamanitry ny ady ho an'ny romanina.

Amin'ny maha zanaka miaramila manamboninahitra an'i Martin dia voatery nanaraka ny rainy tany amin'ny toby izy, ary tsy maintsy nanaraka ny asan-drainy, fa izany no lalana tamin'izany fotoana izany. Vao folo taona monja anefa izy dia efa naniry ny ho kristianina, ary nahatsapa fa voaantso hanompo an'i Kristy. Noho izany, tsy niandry ny fahafito ambin'ny folo taonan'i Martin akory ny rainy fa vao dimy ambin'ny folo taona monja izy dia noteren'ny rainy hiditra tao amin'ny tafika, ary nanaiky izany i Martin mba tsy hampisy olana ny rainy eo amin'ny fiaraha-monina. Circitor no andraikitr'i Martin tamin'izany, izany hoe mpitarika amin'ny fanaovana fisafoana amin'ny alina sy manara-maso ny mpiambina amin'ny alina. Nanana andevo izy, fa noraisiny ho toy ny rahalahiny ireo. Notendrena tany Gaule izy ny taona 338, ary rehefa nanao fisafoana amin'ny alina nandritra ny ririnina dia nahita mahantra lanin'ny ny hatsiaka tao Amiens. Nozarainy roa ny akanjony ka ny atiny sisa no nanaovany, fa nomeny ilay mahantra kosa ny hafa. Ny ampitson'io dia niseho taminy tamin'ny nofy ny Tompo, nanao ilay akanjo.

Tamin'izany fotoana izany no nanomboka ny fifanafihana tamin'iny faritr'i Germanie iny. Efa nandom-baravarana ny fanjakan'ny empire ny Barbares tamin'izany. Nandray anjara tao Rhin tamin'ny fifanafihana tamin'ny Alamans tao Civitas Vangionum tao Rhénanie i Martin. Ny finoana anefa dia nandrara azy tsy handatsa-dra, ka nandà ny hiady izy. Mba hanehony fa tsy adala anefa izy, ary mino ny fiarovan'Andriamanitra, dia niangavy izy mba hatao sorona ka izy no hiantrana eo anoloan'ny mpanafika. Nofatorana àry izy, ary naroso teo anoloan'ireo fahavalo. Tsy nisy sahy nikitika azy anefa ireo fahavalo, ary nangataka ny hitsaharan'ny fifanafihana. Tsy hay hazavaina moa ny anton'izany. Mbola tao amin'ny antokon'ny tafika i Martin no natao batemy, ary tao amin'ny toby tao Amiens, ny andron'ny Paka no nanaovana izany batemy izany.

Ny taona 356, afaka niala tamin'ny tafika izy ary namonjy an'i Hilaire, eveka tao Poitiers. Noho izy nandray anjara tamin'ny ady teo aloha, dia tsy mety aminy ny asan'ny pretra. Nolaviny ihany koa ny maha diakra, izay nanendren'ny eveka azy. Mpanala demony no nataony. Nanjaka tamin'izany ny fampianaran-diso naelin'i Arius ka nalefan'izy ireo sesitany i Hilaire. Tetsy andanin'izany, nanonofy i Martin hoe tokony ho avy any Illyrie izy, hampibebaka ny ray aman-dreniny. Dia lasa tokoa izy nankany, ary vitany ny nampibebaka ny reniny fa ny rainy no tsy nety, angamba mba hiarovany ny toerany teo amin'ny fiaraha-monina. Nanjaka koa ny ariens tao, ka voatosi-boho tanana koa i Martin ka nialokaloka tany Milan, nefa voaroaka tao koa ka lasa nitoka-monina tany amin'ny nosy Gallinara. Ny taona 360, tamin'ny Kônsily tao Niée, dia tafaverina tamin'ny toerany indray i Hilaire, ka niverina tany Poitiers i Martin. Nanorina trano fitokana-monina tao Ligugé izy. Ny taona 371 no nodimandry ny eveka tao Tours ka nofidian'ny vahoaka handimby an'io i Martin fa tsy nanaiky. Nalain'ireo kristianina anefa izy ka nambaran'izy ireo ampahibemaso fa eveka ny 04 jolay 371, ka na dia tsy nahim-pony aza dia nilefitra izy, sady noheveriny fa izay no sitrapon'Andriamanitra. Tsy azoazon'ireo eveka namany anefa izy, noho izy entitra loatra amin'ny famolahan-tena sy manao fitafiana tsy zarizary. Mitety tanana izy amin'izany, mitory ny Vaovao Mahafaly, ary ny fanamian'ireo mpitoka-monina niaraka taminy dia hodi-drameva toy ny an'i Masindahy Jean-Baptiste. Nanome ohatra ho mpiandry ondry tsara izy. Ny taona 397 no nodimandry tao Candes i Martin, ary milevina ao Tours amin'izao fotoana izao.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...