05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

Ny Evanjelin'i Masindahy Lioka 1, 5-25 no hamakiantsika ny fiainan'i Zacharie sy i Élisabeth. Efa samy lehibe izy ireo, ary i Élisabeth dia enoka raha ny filazan'ny tantara ao amin'ny Soratra Masina. I Masindahy Lioka no mitatitra ny fahitan'i Zacharie, mpisorona, ny anjely Gabriel, irak'Andriamanitra milaza ny hahaterahan'ny zanany lahy. Io zanany lahy io ilay nambara teo hoe mpialoha lalana an'i Jesoa Kristy. Tamin'izay dia hoy ny anjely : "Nirahana hampahafantatra anao izany vaovao mahafaly izany aho". Vaovao mahafaly ho an'i Zacharie sy i Élisabeth izany ny fahatongavan'i Jean-Baptiste. Tao aorian'io filazana io dia lasa moana i Zacharie, sady narenina ihany koa, mandram-pahatongan'ny fotoana namorana an'i Jean-Baptiste. Ny antony dia tsy nino loatra izay volazan'ny anjely izy ka voasazy. Rehefa niteny izy dia nidera sy naneho hira fankasitrahana an'Andriamanitra, io ilay antsoin'ny Fiangonana hoe Tononkiran'i Zacharie na ny hoe "Benedictus".

I Élisabeth indray dia naneho ny hafaliany sy ny fankasitrahany raha vao mbola nitondra an'i Jean-Baptiste tany am-bohoka izy, tamin'ny famangian'i Maria. I Maria, renin'i Jesoa, sy i Élisabeth moa dia zanak'olona mpiray tampo. Mandram-piandrin'i Élisabeth ny ahaterahan'ny zanany, toa an'i Maria sy i Zacharie, dia nandinika izany tao am-po izy, nandinika ny fahaganana notanterahin'Ilay Avo Indrindra taminy. Nitana ny fanginana izy ary nitoetra irery nandritra ny dimy volana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...