15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.

Ny taonjato fahefatra ambin’ny folo sy ny fahatelo ambin’ny folo dia nifantoka tamin’io fijalian’i Maria teo am-pototr’io hazofijaliana io. Araka ny fitantaran’ireo fransiskanina toa an-dry Bonaventure sy ry Bernardin, efa tamin’ny taonjato fahefatra ambin’ny folo vao noresahana ny fijaliana fito izay nananan’i Maria Virjiny. Ireo fijaliana fito ireo dia ny faminanian’i Simeôna, ny fandripahana ireo zaza tsy mana-tsiny, ny fandosirana tany Ejipta, ny nahavery an’i Jesoa tao an-temply tao Jerosalema, ny fisamborana sy ny fitsarana an’i Jesoa, ny namantsihana sy ny nahafatesan’i Kristy ary ny nametrahana azy teo an-tratran-dreniny avy eo amin’ny lakroa sy ny fandevenana.

Samy hafa ny fotoana nankalazana io fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo io, niovaova izany ny daty. Nanomboka tamin’ny taona 1668 ny fikambanan’ny Ordre des Servites dia nahatsiaro ny fijaliana fito isaka ny alahady fahatelo amin’ny volana septambra. Tato aorian’ny fanavaozana ny breviaire dia noferan’ny papa Pie X ho amin’ny herinandro ao aorian’ny nankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’ny alahelo, izany hoe ny 15 septambra. Izany dia tamin’ny tamin’ny 1908 no nanomboka.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...