15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.

[audio src="/images/sounds/saint-20200915.mp3" background="#0099ffff"]

Ny taonjato fahefatra ambin’ny folo sy ny fahatelo ambin’ny folo dia nifantoka tamin’io fijalian’i Maria teo am-pototr’io hazofijaliana io. Araka ny fitantaran’ireo fransiskanina toa an-dry Bonaventure sy ry Bernardin, efa tamin’ny taonjato fahefatra ambin’ny folo vao noresahana ny fijaliana fito izay nananan’i Maria Virjiny. Ireo fijaliana fito ireo dia ny faminanian’i Simeôna, ny fandripahana ireo zaza tsy mana-tsiny, ny fandosirana tany Ejipta, ny nahavery an’i Jesoa tao an-temply tao Jerosalema, ny fisamborana sy ny fitsarana an’i Jesoa, ny namantsihana sy ny nahafatesan’i Kristy ary ny nametrahana azy teo an-tratran-dreniny avy eo amin’ny lakroa sy ny fandevenana.

Samy hafa ny fotoana nankalazana io fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo io, niovaova izany ny daty. Nanomboka tamin’ny taona 1668 ny fikambanan’ny Ordre des Servites dia nahatsiaro ny fijaliana fito isaka ny alahady fahatelo amin’ny volana septambra. Tato aorian’ny fanavaozana ny breviaire dia noferan’ny papa Pie X ho amin’ny herinandro ao aorian’ny nankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’ny alahelo, izany hoe ny 15 septambra. Izany dia tamin’ny tamin’ny 1908 no nanomboka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...