13 septambra — Teraka tao Antioche i Jean Chrysotome, Jean moa no fiantsoana azy. Mpianatr’i Mélèce tao Antioche izy ary io no nanao batemy azy teo amin’ny faha-24 taonany araka ny fomba tamin’izany fotoana izany. Avy eo izy nobezazin’ni Diodore tao Tarse, mpanorina sekoly tao Antioche io Diodore io. Io ihany koa no nanome azy ny fitiavana ny fikarohana ny tantara eo amin’ny fandalinana ny Soratra Masina.

Nampianatra azy ihany koa i Cartirius talen’ny sekolin’ny mpitoka-monina izay namporisika azy ho amin’izany fiainan’ny mpitoka-monina izany. Rehefa nikasa ny handeha hitoka-monina i Jean dia nitalao taminy ny reniny mba tsy hamela azy ho irery satria mbola kely moa izy no maty ny rainy. Rehefa maty aho, hoy ny renin’i Jean, dia afaka mifidy izay fiainana mety aminao ianao. Dia niara-niaina tamin’ny reniny i Jean aloha. Nandray ny laharana maha mpamaky teny izy ny taona 373 avy eo lasa mpamangy sy mpankahery ireo mahantra sy tsy misy mpiahy, nanomboka nanoratra ihany koa izy tamin’izany fotoana izany. Rehefa maty ny reniny ny taona 375 dia lasa nitoka-monina izy ka lasa namonjy ny tendrembohitra akaikin’i Antioche, ka mpanirery Syrien izay no nitantana azy nandritra ny efa-taona.

Nitoka-monina tany amin’ny lava-bato nandritra ny efatra amby roapolo volana i Jean Chrysostome, zara raha matory, mba hianatra ny lalan’i Kristy hono. Nandreraka azy izany asam-pibebahana izany ka niverina tany Antioche izy. Efa mpandaha-teny nahay moa izy talohan’ny nanamasinana azy ho diakra, ary tena nampihaiky ny olona mihitsy, ka i Mélèce no nanamasina azy ny taona 381. Ny 386 nohamasinin’i Flavien ho pretra izy ary nandritra ny folo taona dia nomen’io eveka io andraikitra hitory teny manerana ny fiangonana teo amin’ny tanana misy azy ary tamin’izany no nahazahoany ny anaram-bositra hoe Chrysostome. Rehefa maty i Nectaire, patriarka tao Constantinople ny 27 septambra 397 dia maro ireo niandrandra izany toerana izany ; i Eutropius praiministr’i Arcadius anefa, nifidy an’i Jean Chrysostome ka nalaina an-keriny izy ho any Constantinople. Vaotery nanamasina an’i Jean Chrysostome ho eveka ny patriarka tao Alexandrie ny 15 desambra 379. Fanavaozana ny fitondran-tenan’ny pretra no nimasoan’i Jean voalohany ary maro ireo nankahala azy tamin’izany. Noho ny disadisa nisy teo amin’i Jean Chrysostome sy i Théophile d’Alexandrie dia nahondrana antsesitany i Jean Chrysostome, ary ny taona 407 dia nasain’ny papa Innocent I niverina tany Constantinople izy nefa tonga ny baikon’ny amperora hanondrana azy ho any Pithyos ny 14 septambra. Vizaka i Jean Chrysostome ka tsy natody lalana intsony ary teo am-pialana aina izy no nivavaka hoe : “Voninahitra ho an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra”. 31 taona taty aoriana dia nentina am-boninahitra tany Constantinople ny lavenon’i Jean Chrysostome.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...