10 septambra — Teraka tao Avrenche i Aubert zanak’olona fanta-daza tao izy io. Rehefa nozarainy tamin’ny mahantra sy ny relijiozy ny lovany dia nandray ny sakramentan’ny filaharana izy ary voafidy ho eveka faha-12 fantatra anarana tao Avranches.

Heverina fa ny fivavahana kristianina dia tonga tao Avranches ny faraparan’ny taonjato fahefatra ka i Masindahy Léonce no heverina fa eveka voalohany nandamina ny Fiangonana tao Avranches. Tia vavaka i Aubert ary mankafy ny fiainan’ny mpanirery, ka ataony fahazarana ny mitokana any an-tendrombohitr’i Tombe. Lasa Saint-Michel moa no anaran’io tendrombohitra io taty aoriana. Nohodidinin’ny ala io vohitra io, ary tao no nisehoan’ny arakanjely tamin’i Aubert. Nodimandry ny taona 720 izy ary araka ny fangatahany dia nalevina tao amin’io tendrombohitra io izy. Avy eo izy dia nafindra tao amin’ny Fiangonana ary nanjanona tao mandram-pandroban’ny revolisionera ny fiangonana ka ny lohany sisa no voatahiry ary notehirizina tao amin’ny fiangonana Masindahy Gervais ao Avranches.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...