20 aogositra — Teraka ny taona 1090 tao Fontaine akaikin’i Dijon i Bernard. Manam-boninahitra sy fanta-daza amin’ny fitava-bavaka ny ray aman-dreniny. Vao teraka izy dia efa natokan’ny reniny ho an’Andrimanitra. Io reniny io dia nanonofy fa ho masina io zaza io ao aoriana.

[audio src="/images/sounds/saint-20200820.mp3" background="#0099ffff"]

Indray andro fiaretan-torin’ny Noely, namonjy ny Sorona Masina i Bernard, rendremana izy ary tamin’izay no nahitany mazava tamin’ny nofiny ny zava-miseho tao Betilehema sy ny nimbanjinany an’i Jesoa teny an-trotroan’i Maria reniny.

Rehefa vitany ny fianarany amin’ny ankapobeny dia namaly antson’Andriamanitra izy teo amin’ny faha roapolo taonany teo. Niditra tany amin’ny fikambanana bénédictin izy, niaraka tamin’ny namany iraika amby telopolo. Tao ao amin’io trano fitokana-monina tao Citeaux, nohavaozina io izy ka tao no nivoaka ny relijiozy cistércien. Ny taona 1030 notendrena ho lehiben’ny ankohonam-pianana tao Clairvaux izy ary maro ny trano naoriny tao, efa nahatratra enipolo. Nitombo nanerana an’i Eoraopa izany ary ny asa-sorany ihany koa na ny taratasy na ny fandalinana ny fitiavan’Andriamanitra ary indrindra momba ny fampianarana Tononkira dia Tononkira dia maneho ny aim-panahiny amin’ny fibanjinana. Nodimandry ny toana 1053 i Bernard.

Ny vavaka lalim-paka no sekoly fandalinana ho an’i Bernard, ka nahatonga azy ho mpampianatry ny Fiangonana. Notiavin’ny olona tamin’ny fahaizany miteny sy manintona izy, ny fahalalany ary ny asa sorany, mpanolo-tsaina ny evaka izy ary naman’ireo papa nifandimby. Ny tena nahalalana azy dia ny fanajany ny Virjiny masina. Nitory ny vaovao mahafaly ihny koa izy nandritra ny ady faharoa ho an’ny tany Masina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...