15 aogositra — Ny Assomption dia fanamarihana ny nanalana na ny nanesorana an’i Masina Maria tety an-tany ho any an-danitra, vatana sy fanahy. Nanomboka tamin’ny kônsily tao Ephèse tamin’ny taona 431 izay nanambarana an’i Masina Maria ho renin’Andriamanitra ny fankalazana.

Notazonina ny daty 15 aogositra nanomboka tamin’ny taonjato fahenina. Andro fety hatrany io teo amin’ny Fiangonana, ary ny Fiangonana tao France aza dia nanomboka tamin’ny tokim-panompoana nataon’i Louis XIII no nankalazana izany, ary ny Fiangonana maneran-tany kosa dia nanomboka tamin’ny taona 1950, taona nanambaran’ny papa Pie XII ny foto-pampianarana momba ny Asssomption. Toa ny fety kristianina rehetra dia tsy maintsy fantarina ny fototra ao amin’ny fiainan’i Kristy. Matoa i Masina Maria amin’izao fotoana izao hajaina sy hankalazaina manokana dia satria izy nanaiky ho renin’ny Mpamonjy ; ilay tovovavy tsotra nanao “eny”, raha nilazan’ny anjely Gabriel fa ho renin’i Kristy. Tsy hita mivantana izy io ao amin’ny Evanjely fa tsy maintsy mandalina sy mamaky tsara vao mahita ny anjara toerany ao amin’izany Vaovao Mahafaly izany. Izay fanambaran’Andriamanitra Ray tamin’ny alalan’ny Kristy Jesoa Zanany izay no ahitana an’i Masina Maria ihany koa ilay teo anilan’ny zanany hatrany, na tao Kana na teo am-pototry ny hazofijaliana. I Masina Maria, ilay mpanompovavin’ny Tompo, araka ny voalaza ao amin’ny tokokiran’i Maria na ny Magnificat. I Maria izay nanjohy hatrany ny fiainan’i Jesoa, izay toy ny mpianany, vehivavy nahay nihaino ny tenin’ny fiainana, sy nanompo azy. I Masina Maria no voalaza fa mpino voalohany fa izy no nino voalohany ny fiavian’i Jesoa Kristy. Ny Assomption izany dia fankalazana ny fandraisan’i Masina Maria ny fiainana mandrakizay.

Miaina ny maha olona feno i Masina Maria afa-tsy ny ota, ny fiainan’ny tovovavy, ny fianan’ny reny, nandalo tamin’ny hafaliana, ny fijaliana, ny fangirifiriana ary mitovy amin’ilay Zanany koa izy amin’izany. Ny fianian’i Masina Maria dia feno ny fisian’Andriamanitra, ny misterin’ny fampiakarana an’i Maria dia famintinana ny fiainan’ny mpino, izany hoe, raha mino an’i Jesoa Kristy nitsagan-ko velona ianao dia voatendry ho an’Andriamanitra, vatana sy fanahy. Ary i Masina Maria no niaina izany voalohany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...