22 jolay — Niaina tamin’ny taonjato voalohany i Marie Madeleine rahavavin’i Marthe, anabavin’i Lazare izy. Nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny ary nandova trano be tao Magdala tao Galilée izy ireo. Izany no nahatonga ny anaram-bositr’i Marie hoe Madeleine izany hoe avy ao Magdala.

[audio src="/images/sounds/saint-20200722.mp3" background="#0099ffff"]

Niaina tao anaty ny filibana izy ka nahatonga azy nantsoina hoe ilay vehivavy mpanota. Eto moa dia samy manana ny filazany ireo mpandalina ny Soratra Masina ka mametra-panontaniana hoe olona iray ihany ve ilay antsoina hoe ilay vehivavy mpanota sy ilay vehivavy namoahan’i Jesoa demony fito. Ao amin’ny Evanjelin’i Masindahy Lioka dia voalaza fa i Marie Madeleine, ilay nanaraka an’i Jesoa hatrany Kalivery sy nahita voalohany azy nitsanga-kovelona. I Lioka ihany koa dia milaza fa izy ilay vehivavy voalohany amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa. Ary ambaran’i Masindahy Joany fa nitsangana teo akaiky ny hazofijalian’i Jesoa i Marie Madeleine niaraka tamin’i Marie Renin’i Jesoa tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesoa. Izy ihany koa no nitondra ny zava-manitra hahosotra amin’ny vatan’i Jesoa tamin’ny maraina ny andron’ny sabata. Ary izay no nahatonga ihany koa ny filazana fa izy no nahita ny fasana nivoha sy nampilaza ny mpianatry i Jesoa sy ny Apôstôly. Izy izany no nanambara voalohany ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Ka izay no antony niantsoan’i Masindahy Hypolite azy hoe apôstôlin’ny Apôstôly.

Hitantsika matetika ao amin’ny Evanjely i Marie Madeleine. Mibanjina sy mihaino an’i Jesoa izy tao an-tranony tao Béthanie raha i Marthe variana nikarakara ny tao an-trano. Hoy i Jesoa tamin’izay hoe i Marie no nifidy ny anjara tsara. Voalaza ihany koa fa leo ny fampianaran’izy telo mianadahy ny olona ka nandefa azy ho any an-dranomasina tamin’ny lakana tsy misy fivoy. Na dia izany aza anefa dia nandeha araka ny tokony ho izy ihany ilay lakana ka tonga teny amin’ny sisin-tanin’i Marseille izy ireo. Ary i Madeleine avy eo nihanika tendrombohitra ary nitoka-monina tany, nentin’ny anjely. Nandritra izany fiainany tany izany moa i Marie Madeleine dia nitomany noho ny fahotany sady izany ihany koa no nanehoany ny fibebahana sy ny fitiavana.

[Miara-dàlana] Zoma 10 jolay 2026

• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...