17 jolay — Ny Simon Stock resahana amin’ity volana jolay ity dia iray tamin’ireo anglisy voalohany niditra tao amin’ny fikambanana karma. Teraka ny taona 1165 tao amin’ny faritr’i Kent izy. Rehefa nitoka-monina irery izy dia niditra tao amin’ny fitokana-monina karma. Izay nandraisany andraikitra goavana tamin’ny taona 1224.

[audio src="/images/sounds/saint-20200717.mp3" background="#0099ffff"]

Tamin’io fotoana io moa no nandaozan’ny fikambanana ny tany masina nandositra ny Sarazin ka nifindra nankany Eorôpa. Voafidy ho prieur général, izany hoe lehiben’ny fikambanana eran-tany izy, ka nampiandreketan’ny Fiketrahana Masina mba hanova ny fitsipi-piainan’ireo mpitoka-monina tao Mont-Carmel ho toy ny an’ny dominikanina sy ny fransiskanina. Na dia teo aza ny maha contemplatif, izany hoe mpivavaka, mpibanjina, azy ireo dia nandray anjara tamin’ny asa pastôraly sy ny fitorian-teny ary ny fampianarana izy ka tany amin’ny Université no nitoriany. Ankoatra ireo dia izy ihany koa no nanome ny fomba fanajana an’i Masina Maria izay nifantoka tamin’ny scapulaire. Maty tao Bordeaux ny 16 mey 1265 i Simon Stock.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...